Finoana

Diosezin’Antananarivo Hisokatra manomboka amin’ny alahady ny Fiangonana


  • Alarobia 09 Septambra 2020

Hisokatra manomboka amin’ny alahady ho avy izao ny fiangonana katolika rehetra eto anivon’ny diosezin’Antananarivo. Voakasik’izany manokana raha araka ny fampitam-baovao nataon’ny Mgr Odon Marie Arsene Razanakolona, Arsevek’Antananarivo,

 

 

 

 ny diosezy any amin’ny Faritra Itasy, Bongolava ary ny eto Analamanga. Anjaran’ireo tompon’andraikitra isaky ny diosezy hoy izy no manao ny fandaminana rehetra ka anisan’ireny ny fanarahana ireo karazana fepetra ho enti-miady amin’ny fiparitahan’ny Covid 19. Lohalaharana amin’ireny ny fanaovana aron-tava, ny fanasan-tanana amin’ny savony, ny fanajana ilay elanelana 1 metatra raha tsy tokony hihoatra ny 100 ihany koa ny mpino. Mikasika ny sekoly katolika kosa indray dia fantatra fa samy malalaka amin’ny fanapahan-kevitra raisiny izy ireo. Omaly talata 08 septambra ohatra dia efa maromaro ireo nanokatra ny varavarany nandray mpianatra. Na izany aza anefa dia anisan’ny hetahetan’ireo tompon’andraikitry ny sekoly kosa ny hanampian’ny Fitondram-panjakana azy ireny amin’ny alalan’ny fanomezana gel ahosotra amin’ny tanana hohampiasain’ny mpianatra raha raisin’izy ireo an-tanan-droa ihany koa ny arotava raha misy.

 

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT