Finoana

Diosezin’i Toamasina Handray ny sisan-taolan’i Mb Terezin'i Jesoa Zazakely


  • Sabotsy 05 Septambra 2015

Isan’ireo diosezy handray ny sisan-taolan’ny Masimbavy Terezin'i Jesoa Zazakely sy ny an’ireo ray aman-dreniny izay mandalo eto Madagasikara ny diosezin’i Toamasina, izay mananarana ihany koa ny fankalazana ny faha-60 taona nijoroany, ka tafiditra amin’ny lanonam-pamaranana ny fankalazana izao fandraisana ny sisan-taolan’ny Mb Terezy izao.

 

 Ny talata 08 septambra tolakandro, no ho tonga ao Toamasina amin’ny alalan’ny fiaramanidina ny vata misy azy ireo. Hoentina hitety paroasy maro ao Toamasina ankoatra ny fitondrana azy eo anivon’ny diosezin’i Fenerivo atsinanana ny alarobia 09 septambra. Ny 10 septambra kosa dia hisy ny sorona masina lehibe atao eo amoron-dranomasina manoloana ny katedraly Md Josefa Ampasimazava ho an’ny daholobe. Nambaran’ny Vikera jeneralin’ny Diosezin’i Toamasina Mgr Jean Aimé fa hisy ny alim-bavaka hatao ao amin’ny fiangonana Md Josefa Ampasimazava ny talata, ka mandritra izany no azon’ny rehetra atao ny mikasin-tanana ny vata misy ny sisan-taolan’ny Mb Terezy ity ao Toamasina.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT