Finoana

Dina fampandrosoana ny firenena Hamory ny olony ny FLM ny 10 martsa izao


  • Zoma 02 Martsa 2018

Raha natomboka tany Fianarantsoa tamin’ny 23-28 mey 2017 ny fotoam-pankalazana ny faha-150 taonan’ny FLM na Fiangonana Loterana

Malagasy ary nankalazaina tany Betafo Antsirabe tamin’ny 15,16,17 desambra 2017 ihany koa ny ivon’izany dia fantatra tamin’ny fanambarana nataon’ny filohany, ny Pastora Davida Rakotonirina, teny Isoraka omaly alakamisy 01 martsa 2018 fa hofaranana amin’ny fomba ofisialy etsy Antsahamanitra sy etsy amin’ny kianjan’i Mahamasina amin’ny 26 sy 27 mey 2018 izao ny fanakalazana hanasana ireo mpiara-miasa aminy rehetra. Nambarany ihany koa fa ho tsangambaton’ity faha-150 taonan’ny FLM ity sy ny faha-500 taonan’ny reformasiona ny fananganana trano lehibe na « bloc administratif » FLM vaovao hamindrana ireo mpiasa miasa eny Andohalo sy hanampiana ireo birao etsy Isoraka.  Nambaran’ity filohan’ny FLM ity koa niaraka tamin’ireo mpikambana ao amin’ny FFKM eo anivon’ity fiangonana ity fa vokatry ny fivorian’ny komity foibe faha-40 ny FFKM notontosaina tany Betafo Antsirabe tamin’ny 22-26 novambra 2017  izay namoahan’ny filoha mpiara-mitantana 4 mirahalahy fanambarana  niaraka fa « hamory ny zanany hahazoana mamaritra dina fampandrosoana ny firenena » sy ny KMSL-38 nataon’ny FLM tany amin’ity toerana ity ihany ny 18-19 desambra 2018 dia nampiantso ny zanaky ny fiangonana Loterana rehetra manerana ny nosy sy ny hery rehetra tsy ankanavaka eto amin’ny firenena (mpanabe, mpanao politika, mpiasa tena, mpiantra sns…) ho tonga hanatrika ny fivoriana hatao ao amin’ny FLM 67 ha amin’ny sabotsy 10 martsa ho avy izao hiara-kivavaka sy hiara-kandinika ny hevitra hoe : mila fananarana ny zanaky ny fiangonana ary hiara-mandinika ny dinam-pampandrosoana ho an’ny firenena ka hamaliana ny hoe : ahoana ny Kristianina vonton’ny tenin’Andriamanitra tompon’andraikitra amin’ny fiainanam-pirenena ? ary koa ny fandinihana ny andraikitry ny fiangonana eo amin’ny lafiny filaminana sy fampandrosoana.

 

Ntsoavina Evariste

 


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Mampaneno lakolosy ny FJKM
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Ento amin'ny fahamarinana

  • PASTERA HERITIANA
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

« Andriamanitra no manome

  • Alahadin’ny taraka
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

FJKM RASALAMA MANJAKARAY

  • Léon XIV tany Cameroun
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Fitsidihana apetraka ho

  • PASTERA HERITIANA
  • Zoma 03 Aprily 2026

Tsy voatery ho andro Alahady

  • Vondron’ny Fikambanana Masina
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

na VFM « Mitaky ny fombany ny tany, mila

Hijery ny tohiny
FTT