Finoana

Diaben’ny silamo sy ny iray oran’ny tontolo iainana Nifandipatra noho ny serasera tsy niampita ?


  • Alakamisy 06 Jona 2019

Nizotra tamim-pilaminana tamin’ny ankapobeny ny fetin’ny mpino silamo dia ny “Aïd El-Fitr” omaly alarobia 5 jona.

 

 

Maro ny hetsika nentin’izy ireo nanamarika izany, toy ny diabe na “Carnaval”. Nifaninandrify tamin’ilay andro iraisam-pirenena ho an’ny tontolo iainana, ka nanokanana iray ora hitsaharan’ny fifamoivoizan’ny fiara mamoaka setroka sy etona maloto. Nisy ny fangatahana nataon’ny Sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny tontolo iainana niantefa tamin’ny Tale jeneralin’ny polisim-pirenena mba hanomezana baiko ny polisy hanatsahatra ny fifamoivoizan’ny fiara rehetra na aiza na aiza eo anelanelan’ny tamin’ny 9-10 ora maraina. Teo ihany koa ny fangatahana hanomezana polisy 20 isa mba hisakana ny fifamoivoizana teny amin’ny lalana mihazo ny Lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina nanomboka ny alin’ny 4 jona sy omaly, indrindra teo anelanelan’ilay ora iray (9-10 ora) karamaina 20 000Ar avy. Gaga sy talanjona ny rehetra fa tao anatin’io ora sy fotoana voafaritra mihitsy no nandalo teny Mahamasina ny fiara sy moto an’ireo mpino silamo nanao diabe nitanjozotra. Tsy tafita ny serasera sa tsy misy fahefam-panjakana eken’ny rehetra intsony eto no fifandaminana iray andro avy tsy voafehy ka samy manao izay tiany sy tsy afaka ny hifanaja intsony ?

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT