Depiote Mily sy Rtoa Lalatiana R.

Nampihaonin’ny hetsika ara-pinoana


  • Alatsinainy 01 Jolay 2024

Notanterahina omaly lahady 30 Jona 2024 ny fandraisana ny Filoha Sinodaly vaovao,

ny mpitandrina Atoa Andriamihajamahaleo Josoa Ernest sy ny birao ary ny sampana rehetra ao anatin’ny Sinodam-paritany Andrefana Atsimon’Ankaratra Miara-dia amin’ny fiangonana FJKM. Sady nomarihana omaly ihany koa ny jobily faha-20 taona naha-mpitandrina azy, araka ny vaovao navoakan’ny Minisitra teo aloha Lalatiana Rakotondrafy omaly. Niavaka tao anatin’ny fampitam-baovao ny fahitana azy sy ny depiote Ramilison Nomenjanahary niaraka tamin’ireo Raiamandreny am-panahy satria samy nanatrika ny fotoam-bavaka. Fotoana ihany koa nitokanana ny « gradin » Sehatra maitso-Sekoly FJKM tao Ambohimahatazana Faratsiho nangatahan’ny Komity mpanomana ity fotoan-dehibe tolo-tanana taminy ny fanamboarana azy, izay nambaran-dRtoa Lalatiana Rakotondrazafy fa noraisiny an-tanana manontolo tam-pitiavana sy am-panetretena, ary ho azon’ny mpianatra amin’ny Sekoly ampiasaina foana koa amin’ny hetsika ara-kolontsaina na ara-panatanjahan-tena izay karakarainy. « Nanatrika ny fotoana ny solombavambahoakanay aty Faratsiho, nahafinaritra fa niaraka nitokana taminay ny toerana izy, mba nahita hoe tahaka izao izany miasa ho an’ny vahoakan’i Faratsiho izany. Satria ny soa fianatra e! Mbola maro be rahateo ny zava-bitanay aty Faratsiho aty mila tokanana ka ny antenaina dia mba ho afaka hanotrona hatrany izy amin’ny maha-solombavambahoaka azy. Ny hampivoarana ity disitrika ity no tanjona », hoy Rtoa Lalatiana Rakotondrazafy. Maneho izany Ramatoa minisitra teo aloha sy ny depiote voafidy fa misy ny « fair-play » ary misy fanehoana manokana fa niasa sy nahavita asa maro ka dia tiana haseho sy ho fantatr’ity solombavambahoaka vao lany ity.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Léon XIV tany Cameroun
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Fitsidihana apetraka ho

  • PASTERA HERITIANA
  • Zoma 03 Aprily 2026

Tsy voatery ho andro Alahady

  • Vondron’ny Fikambanana Masina
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

na VFM « Mitaky ny fombany ny tany, mila

  • Mankalaza ny faha-42
  • Alarobia 25 Martsa 2026

taonany ny fiangonana Shincheonji

  • Pastera Heritiana
  • Alarobia 18 Martsa 2026

« Tokony hahitsy toa ny

Hijery ny tohiny
FTT