Mitohy ny antsojay ! Nanaitra ny mpino FJKM maro manerana ny Nosy, hatrany ampitan-dranomasina ny nahita soratra niverimberina teo amin’ny fahitalavi-pirenena TVM ny marainan’ny alahady 06 jolay teo, milaza tamin’ny soratra maimaika fa "faniriany sy baikon'ny filohan'ny FJKM ny anajanoana ny fanompoam-pivavahana FJKM eto amin'ny TVM, misaotra anareo mpijery nanohana nandritra izay 12 taona izay. Ho an'Andriamanitra Rain'i Jeso Kristy irery ny voninahitra".........
Tsy niandry ela fa omaly ihany dia namaly ny FJKM ka nanoratra tany amin’ny Minisitry ny serasera sy ny filazam-baovao ary ny fifandraisana amin’ny andrimpanjakana, nitondra fanazavana fa : “ny fandaharana fanompoam-pivavahana isaky ny alahady maraina nampitondraina ny anaran'ny FJKM tao amin'ny TVM dia tsy tamin'ny anaran'ny FJKM na dia olon'ny FJKM aza no nanatanteraka azy nandritra ny taona vitsivitsy. Tsy avy aty amin'ny Foibe FJKM no nanao ny fandaminana tahaka ny fanao ao amin’ny RNM fa ny TVM no naka izay olona fantany fa mety. Maro ny fanontaniana ataon’ny Kristianina FJKM aminay momba izany ka izany no nahatonga anay Foibe FJKM hangataka ny Tompon'andraikitr'io fandaharana fanompoam-pivavahana io tsy hampiasa intsony ny anarana FJKM. Tsy manakana ny fisian'ny fanompoam-pivavahana izahay fa ny fampiasana ny anaran'ny FJKM tsy nifampierana ny fifandaminana no tsy mety aminay”. Etsy ankilan’izay dia miandry fatratra ny hisokafan’ny Radio Fahazavana indray ny mpino FJKM, rehefa nakaton’ny fitondrana tetezamita tamin’ny 20 mey 2010.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.