Finoana

COHEN BERA Nindaosin’ny fahafatesana ny vady andefimandriny


  • Alatsinainy 04 Novambra 2019

Nindaosin’ny fahafatesana ny Alakamisy lasa teo Rtoa Volahanta Cohen, vady andefimandrin’i Cohen Bera, filoha mpanorina ny finoana Jodaisma Madagasikara Mesirima eto Madagasikara.

 

 

 

Herinandro teo ho eo no nitsaboana azy farany tetsy amin’ny hôpitaly Befelatanana raha efa nahatratra enim-bolana kosa ilay aretina nandavo azy no nikiky ity Renim-pianakaviana ity. 55 taona  Itompokovavy no nandao ny tany. Anisan’ny tena nahafantarana azy ny fijoroana vavolombelona nataony niaraka tamim-badiny mikasika ny tsiambarantelon’ny faharetan’ny tokantranon’izy ireo. Toraka izany koa ny fizarana fahendrena tamin’ireo Renim-pianakaviana tao anatin’ny finoana nisy azy, notronin’ireo tanora zazavavy marobe. Omaly Alahady moa no nalevina teny Ambohitsaratelo Andohatanjona ny razana. Namela kamboty roa sy zafikely iray ary mananontena iray Ratompokovavy.

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT