Finoana

Cohen Bera Manazava ny tsiambaratelon’ny baiboly


  • Zoma 10 Aogositra 2018

Hifarana amin’ny alatsinainy 13 aogositra ho avy izao rehefa nanomboka ny alatsinainy 16 jolay lasa teo ilay fampianarana entin’i Malakh Bera Cohen avy eo anivon’ny fikambanana Jodaisma Madagasikara Mesirima momba ny tsiambaratelon’ny Baiboly.

 


 

Lohahevitra hafa mihitsy no hoentiny amin’io alatsinainy ho avy io. Anisan’ireny ny dinika momba ny epistily ho an’ny Hebreo. Raha araka ny fanazavany hatrany mantsy dia manda an’io epistily io ny Hebreo  satria epistily ho an’ny hafa firenena no nentin’izany. Nanjary nitondra fiovana teo amin’ny tantaran’ny fivavahana mantsy ireny, hoy Malakh Bera Cohen ka nanjary nampahazo vahana ny fombam-pivavahana manaraka ny Baiboly. Tsiahivina fa efa nandeha tany Toamasina i Malakh Bera Cohen talohan’izao teto an-drenivohitra izao izay fantatra indray fa mbola hitohy any Mahajanga mandritra ny dimy andro tsy miato, raha tsy misy ny sampona. Ao amin’ny tranompokonolona Analakely ihany no hanaovana ny famaranana ny hetsika ho antsika eto an-drenivohitra izay nomarihiny fa tena fahombiazana tanteraka.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT