Finoana

Cohen Bera Hebreo ny olona voalohany teto Madagasikara


  • Talata 03 Jona 2014

Hebreo ny olona voalohany teto Madagasikara, hoy i Cohen Bera, manao asan’ny mpitandrina eo anivon’ny Fikambanana Jodaisma Madagasikara Mesirima.

Ekenay hoy izy fa niditra teto ny Arabo, ny Karana, ny Afrikana, fa mbola talohan’ireo ny Hebreo, antony ilazany fa Hebreo ny Malagasy. “Tsy manaiky ny filazana izahay fa Indoneziana ny Malagasy”, hoy i Cohen. Ny fianarana avy amin’ireo Raiamandrenibe teto no milaza izany hoy izy fa ny tsy Baiboly akory izay mbola nohamafisiny ihany koa fa Jodaisma ny fivavahan’ny Malagasy na dia tsy nitana izany hatramin’ny farany aza isika. Entiny hanaporofoana izany ary dia mikarakara hetsika goavana etsy amin’ny Carlton Anosy izy ireo ny alakamisy 05 jona izao.  “Miverina amin’ny kolontsaina voalohany”, io no lohahevitry ny hetsika sy hanaporofoana ara-baiboly sy ara-tantara ny mahahebreo ny Malagasy entin’i Cohen Bera. Mbola tafiditra ao anatin’ny fankalazan’ny fikambanana ny fahafito taona nijoroany teto Madagasikara ihany moa io hetsika io, izay tena mifanandrify indrindra tamin’ny datin’ny 05 jona 2007 nahazoany fahazoan-dalana avy tamin’ny Ministeran’ny Atitany tamin’izany fotoana. Tsangambaton’izao fahafito taona nijoroan’ny fikambanana izao moa ny fanokafana ny tranokala : www.judaismemadagascar.com mba hahafahan’ny rehetra mahalala bebe kokoa ny fikambanana. Mikasika ny “CTIC CTAC DOU” manokana dia nilaza i Cohen Bera fa fampifangaroana fivavahana fotsiny io. Ny Jodaisma hoy izy tsy manao ombiasy ka tsy tompon’andraikitra amin’ny zavatra hataon’izay olona manao izany izy ireo.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

  • FIHAONAMBEN'NY FIANGONANA
  • Talata 25 Aogositra 2026

Tsy mora, amina miliara

Hijery ny tohiny
FTT