Finoana

Cohen Bera Aoka izay ny faminaniana sy ny fananganana sekta


  • Sabotsy 12 Aprily 2014

Aoka izay ny faminaniana sy ny fananganana sekta, hoy i Cohen Bera, manana asana pretra ao anatin’ny fikambanana Jodaisma Madagasikara Mesirima.

 Izay rehetra maminany amin’izao andro izao, hoy izy dia azo lazaina ho mpaminany sandoka. Nohazavainy tamin’ny alalan’ny bokin’ny Zakaria 13 izany. Misy andian’olona mitady zava-baovao hatrany mantsy hoy izy ankehitriny mba hananganana sekta hitadiavam-bola. Manohitra izany amin’ny heriny rehetra anefa izy ireo raha araka ny nambarany ihany satria ny Jodaisma, hoy izy no niavian’ny fiangonana rehetra sy ny Baiboly ka raha hampiasaina amin’ny zavatra tsy mety izany dia mitondra fahaverezana. Manoloana io trangan-javatra io indrindra dia hisy fampianarana hataony anio tolakandro etsy amin’ny Solimotel Anosy. Hetsika tafiditra ao anatin’ny fanomanana ny fetin’ny santa-bokatra izay hankalazain’izy ireo afaka herinandro raha eo ihany koa ny fetin’ny voaloham-bokatra, homarihin’izy ireo 50 andro aorian’itsy voalohany.

Hankalaza ny fahafito taona nijoroany ihany koa ny fikambanana Jodaisma Madagasikara Mesirima anio sabotsy 12 aprily. Mafy tamin’izy ireo loatra mantsy raha araka ny fanazavan’i Cohen Bera vao azony ny fankatoavana avy tamin’ny fanjakana toy izany koa ny fampianarana ny olona io finoana io manoloana ny tontolo Kristiana misy eto amintsika. Tafiditra ao anatin’izany koa ny fifampiarahabana nahatratra ny taona 5774, fanisana Jiosy nahatratra ny volana Nissan sy ny volana Avy izay samy voaloham-bolan’ny Jiosy. Homarihin’i Cohen Bera anio sabotsy ihany koa moa ny fankalazany ny faha-18 taona nampianarany ny finoana Jodaisma Mesirima teto Madagasikara sy ny nidirany teto.

Tsara ny manamarika fa ny Jodaisma Mesirima dia elatra fahatelo amin’ny Jodaisma. Tamin’ny taonjato voalohany izy io no nanomboka nisy. Miisa 20 kosa ireo trano fivavahan’izy ireo eto Madagasikara ankehitriny ka any Tsiroanomandidy no foibeny.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

  • FIHAONAMBEN'NY FIANGONANA
  • Talata 25 Aogositra 2026

Tsy mora, amina miliara

Hijery ny tohiny
FTT