Finoana

Cohen Bera Andrianarisaina “Tsy Cohen i Rivolala”


  • Zoma 11 Martsa 2016

Nivoaka tamin’ny fahanginana omaly i Bera Andrianarisaina Cohen, filohan’ny fikambanana Jodaisma Madagasikara Mesirima, fantatry ny maro amin’ny anarana hoe : Cohen Bera.

 

Taorian’ilay raharaha nalaza niseho teto amin’ny firenena nahavoatonontonona io anarana io ka nahamenatra sy nahafa-baraka azy ireo dia tsy maintsy niteny izy omaly namoaka ny tsiambaratelon’ity anarana ity. Nambarany tamin’izany fa “tsy Cohen i Rivolala satria ny taranak’i Arona irery ihany no afaka mitondra io anarana io izay tsy ananan-dRivolala fiaviana akory”. Tsy mpikambana ao amin’ny fikambanana misy azy ireo ihany koa i Kohen Rivolala. Efa nanenjika ity farany ny fikambanana teny am-piandohana noho ny fitondrany io anarana io saingy navadiny ho “Coahen” izany. Fotoana fohy taorian’izay anefa, hoy i Cohen Bera dia tena nivadika ho “Kohen” mihitsy fa ilay fomba fanoratra azy fotsiny no tsy mitovy. Mampitandrina ireo izay mbola minia mampiasa ity anarana ity ny fikambanana Jodaisma Madagasikara Mesirima, anarana izay nambaran’izy ireo fa efa voaaro ary hananany taratasy ara-dalàna hatrany am-pitandranomasina nasehony ny mpanao gazety omaly. Ankoatra izay, noho ny fahasimban’ity anarana ity sy ny fahafaham-barakan’ny fikambanana dia hiroso amin’ny fampianarana ny bokin’ny Apokalipsy ihany koa i Cohen Bera manomboka izao. Haino aman-jery miisa fito eto an-drenivohitra no hanaovany izany izay nambarany fa araka ny fomba Jodaisma tsy mitovy amin’ny an’ny Apokalipsy. Marihina moa fa hankalaza ny andro voalohany amin’ity taona vaovao 2016 ity ny fikambanana ny alahady 13 martsa. Andro voalohany izay notsindrian’i Cohen Bera fa manara-bolana mifanaraka amin’ny fitsirian’ny zava-maniry Omer.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT