Finoana

Chapelle Militaire Antsirabe Nampisavorovoro ny kristianina ny fanoloana mpitandrina


  • Alakamisy 14 Febroary 2013

Nitrangana savorovoro ny fiangonana tao amin’ny toby miaramila tao Antsirabe ny alahady 10 febroary 2013 lasa teo.

 Raha ny fanazavana azo dia misy andiana krisitianina tsy mankasitraka ny fanoloana ny mpitandrina ary tsy nety nandray ilay mpitandrina vaovao saika hapetraka io alahady io. Raha ny fanazavana nomen’ny lehiben’ny synaodam-paritany Avaratr’i Mania, ny Pastora Rakotovao Joseph dia efa nisy tokoa ny famerenana ny mpitandrina teo aloha any amin’ny Synaoda araka ny fomba fiasa eo amin’izy ireo sy ny toby miaramila saingy tsy mbola nisy ny fanendrena mpitandrina vaovao ho solon’izany aloha hatreto, ary raha ny fanazavana nomeny aza dia hoe : ny toby no mijery ny pastora ka dia manao fanendrena fotsiny ny synaodam-paritany. Raha ny re tamin’ireo krisitianina niatrika ny fotoam-pivavahana tamin’ny alahady moa dia re fa ny prezidàn’ny fiangonana no nitondra ilay mpitandrina vaovao ka nolavin’ny kristianina aloha hatreto.

Noho ny savorovoro moa dia re fa efa niatrana mihitsy ny fiaran’ny Emmo-Reg, io alahady io saika hametraka ilay pastora. Raha ny fanazavana nomen’ny komandin’ny Akademia Miaramila Antsirabe, ny jeneraly Rakotonirina Léon Jean Richard, moa dia nambarany fa tsy tokony hampisavorovoro ny tena kristianina ny lamina apetraka amin’ny fiangonana toy itony ka mahamenatra ny endrika fikomiana ataon’ny kristianina toy izao. Raha ny fanazavana ihany dia anjaran’ny lehiben’ny toby no mandrindra ny fanendrena na fisafidianana ihany koa ny mpitandrina misahana ny “Chapelle” toy itony ka rariny raha mandray andraikitra izany izy. Hatreto moa dia tsy mbola hay ny tohin’ity resaka ity fa ho hita eo ihany.Tanteraka teto ny tantaran’ny «Malok’ila 13», hoy ny vazivazin’ny maro nahare ity resaka ity tao Antsirabe.


Caïus Raharison

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

  • FIHAONAMBEN'NY FIANGONANA
  • Talata 25 Aogositra 2026

Tsy mora, amina miliara

Hijery ny tohiny
FTT