Finoana

Chandoutis Raoera “Mila miverina amin’Andriamanitra isika.”


  • Zoma 27 Martsa 2020

Manoloana ny toe-draharaham-pirenena izay iombonany amin’izao tontolo izao dia namoaka fanambarana ny avy eo anivon’ny fikambanana zon’olombelona mampandroso vahoaka sy ny fikambanana zon’olombelona mijoro,

 

 

 

tarihin’ny filohany, Chandoutis Raoera. Mahatsiaro manana adidy izahay fiarahamonim-pirenena, hoy izy, ary hafatra ho an’izao tontolo izao ny hoe efa nihatra tamin’ny andron’ny zanak’Israely ny areti-mandringana toy izay mitranga amin’izao. Fanefitra voalohany tokony hifantohan’ny malagasy, noho izany, hoy ity filohana fikambanana ity ny vavaka. Nanolotra teny heveriny hanavotra ao anatin’izao zava-mitranga izao ao anatin’ny Baiboly Kristianina, noho izany, ny tenany dia izay voasoratra ao amin’ny Eksodosy 23: 25, Ohabolana 4: 22, Joely 2: 12-14 ary Salamo 91. Fanefitra faharoa, hoy izy, ny fampiakarana hery fiarovana amin’ny alalan’ny fihinanana legioma, vaomaintilany 3 isan’andro, ranomboakazo toy ny voasarimakira na koa sakamalaho. Ilaina ny misotro rano mafana sy manasa tanana amin’ny savony ka raha azo atao dia savony Nosy satria io no tena matanjaka, hoy hatrany ny tenany. Na inona na inona finoantsika, hoy izy, dia tokana ihany ny hafatra dia ny hoe mila miverina amin’Andriamanitra isika.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT