Finoana

Chandoutis Raoera “Efa tsy mahatsiaro an’Andriamanitra intsony isika…”


  • Alatsinainy 07 Desambra 2020

Miombon’alahelo amin’ny Kere any atsimo izahay ary mampalahelo ny mahita

 

ireo sary miparitaka, hoy ny filohan’ny Zon’olombelona mampandroso vahoaka, Chandoutis Raoera. Manao izay azony atao ny eo anivon’ny fitondram-panjakana sy ireo mpiara-miombon’antoka hitsinjovana azy ireo. Misy hadisoana avy amintsika vahoaka tokony tsiahivina ihany anefa manoloana ity fanaovana doro tanety ity. Mila tonga saina isika hoe misakana ny orana sy manamaina ny tany ka mahatonga izany kere izany ireny. Mety manana ny fahadisoany ny mpitondra saingy, hoy aho hoe : matoa manao ny ataony ny olona dia mamela izany koa isika na resaka fampiakarana vidin’entana io na vidin-tsolika na hafa. Ao ny tangalamena sy mpandala soatoavina. Tokony hanara-maso akaiky ny zava-misy ireny. Ny fivoizana ny fifankatiavana sy firaisankina ary fifanomezan-kasina sy fahatsiarovana an’Andriamanitra no hitanay ahafahantsika miroso amin’ny fampandrosoana. Efa tsy mahatsiaro an’Andriamanitra intsony isika matoa sahy mandoro ala. Mety antony ara-pambolena sy famokarana ilay izy saingy mila manabe koa ny minisiteran’ny fambolena hoe izao no tokony atao. Matoa isika manana voary 112.000 karazany izay tsy misy afa-tsy eto dia fitiavan’Andriamanitra antsika manokana izany. Ny anay izao rehefa mampianatra politika dia manomboka mampianatra manokana ny soatoavina Malagasy satria io no maha resy lahatra anay fa mety hanavotra izao tontolo izao, hoy hatrany ity mpiaro ny zon’olombelona sady mpampianatra politika ity.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT