Finoana

Brice Christopher Rabevihavy Misy fanahy maloto te handatsa-dra eto


  • Talata 08 Mey 2018

Milaza ho nahazo fanambarana avy any amin’ny tontolo tsy hita maso ifandraisany any hatrany isaky ny 48 ora tato ho ato ny mpitarika ny fikambanana Ankata zana-drazana, Brice Christopher Rabevihavy.

 Afaka 8 andro indray isika vao tokony hihaona saingy hihenjana ny tady eo amin’ireo mpifanandrina politika roa eto amin’ny firenena mandra-pahatonga ny alarobia izao, hoy izy. Misy olona te hampisy sorona hanamarinana ny heviny kanefa ny mpandefitra tsy folaka. Hisy hery avy any ivelany miisa 5 hiaraka aminay, hoy izy, ao anatin’izay 8 andro izay. Hivoaka indray ny fitiavam-boninahitry ny olombelona ary hadino Andriamanitra. Miangavy ireo mpifanandrina 2 tonta tsy hifampihantsy ary miantso ny mpitandro ny filaminana tsy hiditra anaty vela-pandrika. Afaka 8 andro dia hambaranay ny fotodrafitrasa tsy maintsy hitondrana ny firenena, hoy ny namaranany azy. Misy hery maloto tiana hampiasaina handatsa-dra indray mantsy. Aza amidy amin’izay 35.000 fmg (7 000Ar) ny fanahinareo ry mponin’Ambohimanarina, hoy hatrany ny tenany.

J. Mirija


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT