Finoana

Bishop Lalaina Andriamisolo “Tsy mora ny manarina an’i Madagasikara.”


  • Zoma 11 Oktobra 2019

Ny fisian’ny mpaminany sandoka dia tsy midika fa tsy misy ny mpaminany marina, hoy ny Bishop Lalaina Andriamisolo

 

 

, raha nampahafantatra ny fandalovan’ny mpaminany vahiny iray eo anivon’ny fiangonana izay tarihiny eto Madagasikara. Efa ela izahay no nanaraka ity mpaminany ity ary nahita fa saika marina daholo izay nolazainy. Ny andro maromaro handalovany eto dia hisy ny fiheverana ho fihaonany amin’ny mpitondra ary ny anjaran’ny vahoaka kosa dia ny sabotsy izao eny By pass. Ny fisian’ny olona mahomby eo amin’ny fiainana koa dia tsy midika fa tsy misy ny tsy mahomby, hoy izy, raha nanazava ny fahitany ny aretin’ny firenena ankehitriny. Miombon-kevitra amin’ny filoham-pirenena aho fa fotoana hiovan’ity firenena ity izao. Tsy mora ny manarina an’ity Madagasikara ity. Mangataka ny fitondram-panjakana aho mba hamela ny fiangonana sy fikambanana rehetra hanao ny asany fa ireo no hahavita hanova ny olona isaky ny fokontany. Mila harenina ny toe-tsaina Malagasy, hoy hatrany ity mpitondra fivavahana ity.

J. Mirija/ Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT