Finoana

Bishop Lalaina Andriamisolo Olana ara-panahy no misy eto amintsika


  • Alakamisy 11 Jona 2015

Mitohy ny fanehoan’ireo mpitantana ny fiangonana zandriny ny hevitr’izy ireo manoloana ny raharaham-pirenena ankehitriny. Iray amin’ireo nanara-dia amin’izany indray ny Bishop Lalaina Andriamisolo avy amin’ny fiangonana FCT Mandroseza.

 

 

Manahirana ny resaka politika eto amintsika ankehitriny nefa ny tena tsy mpanao politika, hoy izy. Tsy azo atao anefa ny mangina . Misy fototra lalina mahatonga ny olana eto ka izay no hitsangananay miteny. Ambarako ary, hoy ity mpitondra fivavahana ity, fa mila miverina amin’ny ara-tantara isika ka mamantatra ny fady sy ny ozona samihafa mitoetra eto amin’ny firenena. Olana ara-panahy no misy eto ka vahaolana haingana hamantarana ny tena fototry ny olana io fiverenana amin’ny tantara marina io. Mifaningotra  mantsy ny zona sy ny fady misy eto. Sahiko koa ny manambara, hoy ity Bishop ity, fa matoa ny firenentsika anjakan’ny adilahy politika sy ny loza samihafa miverimberina tahaka izao, dia azo antoka fa misy ozona nitoetra efa hatramin’ny taloha elabe eto. Ozona izay tsy mbola voafaritra. Tsara hofantarina koa ireo fady misy eto amin’ny firenena, hoy izy,  ndrao nisy voadikan’ny mpitondra fanjakana na ny vahoaka izany ka io mandrendrika antsika isaky ny miarina io. Raha ny heviny, tokony hanatona na hampiantso mpahay tantara tany aloha be tany mihitsy ny mpitondra sy ireo tompon’andraiki-panjakana ankehitriny ka mamantatra ireo “ozona” sy “fady” eto amin’ny firenena. Avy amin’ny famaritana mazava ireo no hiaingana hirosoana amin’ny vahaolana hanafahana ny firenena ao anatin’izao hantsana lalina izao. Nohamafisiny fa mpivavaka ary mahalala an’Andriamanitra avokoa ireo mpanao politika sy mpitondra eto Madagasikara, saingy mila mamaha ny olana ara-panahy izay fatoran’ireo ozona sy fady voadika ireo.

Ntsoavina Evariste

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT