Finoana

Birao Mpiandraikitra Foibe FJKM Voafidy ho filoha ny Dr Irako Andriamahazosoa Ammi


  • Alakamisy 19 Aogositra 2021

Nifarana omaly alarobia 18 aogositra ny Synoda lehibe faha 19 an’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara notanterahana tany Sambava ka ny fifidianana ny biraon’ny mpiandraikitra foibe no nanakatonana tanteraka azy.

Voafidy ho filohan’ny Biraon’ny Mpiandraikitra Foiben’ny FJKM mandritra ny 4 taona manaraka indray raha araka ny fifidianana omaly hariva ny Dr Irako Andriamahazosoa Ammi, mpitandrina.Fotoam-piasana faharoa ho azy io satria dia efa izy ihany moa no lehiben’ny FJKM am-perinasa amin’izao fotoana.Ny 11 aogositra lasa teo no nanomboka ny Synoda lehibe faha 19, izy ity moa no rafitra ambony indrindra mpanapa-kevitra eo anivon’ny FJKM izany hoe handinihana ny fiainan’ny Fiangonana ny izay fandaminana rehetra tokony atao ary ny fifidianana ireo mpiandraikitra foibe sy ny birao mitantana izany.Ifampierana ary ankatoavina amin’ny alalan’ny fifidianana araka ny rafitra misy ny fanapahan-kevitra rehetra eo amin’ny sahan’ny FJKM, na isam-pitandremana izany na ho an’ny foibe.Maro ny resaka nandeha manodidina ity Synoda lehibe notanterahana tany Sambava ity, fa vita soamantsara tao anatin’ny filaminana moa iny ny fifidianana koa dia hitarika ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara mandritra ny 4 taona manaraka indray izany ny Dr Irako Andriamahazosoa Ammi, mpitandrina.
RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Mampaneno lakolosy ny FJKM
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Ento amin'ny fahamarinana

  • PASTERA HERITIANA
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

« Andriamanitra no manome

  • Alahadin’ny taraka
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

FJKM RASALAMA MANJAKARAY

  • Léon XIV tany Cameroun
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Fitsidihana apetraka ho

  • PASTERA HERITIANA
  • Zoma 03 Aprily 2026

Tsy voatery ho andro Alahady

  • Vondron’ny Fikambanana Masina
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

na VFM « Mitaky ny fombany ny tany, mila

Hijery ny tohiny
FTT