Finoana

Birao Foibe FJKM Hatao anio ny famindram-pahefana


  • Alatsinainy 05 Septambra 2016

Hotanterahina anio tolakandro ao amin’ny efitrano faha-201, etsy amin’ny Foibe FJKM Analakely ny famindram-pahefana eo

amin’ny Biraon’ny Mpiandraikitra foibe FJKM teo aloha tarihin’ny Mpitandrina Lala Rasendrahasina sy ny Birao vao voafidy nandritra ny Synaoda lehibe faha-18 natao tao Antsirabe ny herinandro lasa iny, tarihin’ny Mpitandrina Irako Andriamahazosoa Ammi. Efa nialohavana fihaonana savaranonando teo amin’ny birao roa tonta, tetsy amin’ny Foibe FJKM Ampandrana ny 28 aogositra 2016, izao famindram-pahefana izao. Tamin’io fihaonana voalohany io no nahafahana mifampizara ny zavatra rehetra iainan’ny Fiangonana raha ny fanazavan’ny Filoha vaovaon’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara. “Hitohy ny firahalahiana ao anatin’ny FJKM”, araka ny fanamafisan’ny Mpitandrina Irako Andriamahazosoa Ammi. Tsy manomboka amin’ny birao miasa ankehitriny ny FJKM, hoy izy tamin’izay ka “tandrovina toy ny anakandriamaso ny fiaraha-miasa ary mpirahalahy mian’ala ny FJKM”. Mahakasika ny anjara toeran’ny Fiangonana eto amin’ny firenena dia nambaran’ity Filoha vaovao ity fa fanamby lehibe ny “hametraka Fiangonana FJKM matanjaka tsy ho menatry ny ho vavolombelon’i Kristy eto amin’ny firenena”.

Jean D.


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT