BIBY MITROKA RA-PASTERA HERITIANA

« Matetika mifamatotra amin’ny fanahy »


  • Alakamisy 29 Febroary 2024

Anisan’ny vaovao mbola mitana ny sain’ny maro hatrany ny mikasika

ilay biby mitroka ra mampihorohoro sy mampatahotra vahoaka eny anivon’ny fiaraha-monina eny eto amintsika. Tsy mijanona amin’ny fihinanana biby fiompy intsony izany fa efa tonga hatrany amin’ny fandratrana olona mihitsy ka tsy vitsy ireo mihorohoro tanteraka. Rehefa nanontaniana ny mikasika io biby io Pastera Heritiana Randriarimalala omaly dia nambarany fa rehefa biby mitroka ra na mihinan-dra dia mifamatotra amin’ny fanahy matetika ary azon’ny devoly hatao fitaovana. Tafiditra ao anatin’izany ny hao, ny haofotsy, ny parasy…Toraka izany koa ny trambo izay tsy mivoaka raha tsy amin’ny alina hoy izy. Anisan’ny tena tanjon’ireny karazam-biby ireny araka izany raha ny fanazavany ny hampihorohoro sy hampatahotra ny olona. Vahaolana arosony araka izany ny tsy tokony hodiana alina. Toraka izany koa ny fangatahana fiarovana amin’Andriamanitra. Notsiahiviny moa fa efa tamin’ny 3 taona lasa no nahitana io biby io teny amin’ny By pass ka tsy fantatra na niteraka izy io na misy namana antony mampiparitakabe azy ankehitriny. Mety misy miompy ihany koa izy ireny hoy izy toy ny mpamosavy saingy tsy voafehiny intsony ka ireny tafavoaka mandehandeha mihinana biby fiompy sy mandratra olombelona ireny.
Pati
Legende : Pastera Heritiana Randriarimalala !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

  • FIHAONAMBEN'NY FIANGONANA
  • Talata 25 Aogositra 2026

Tsy mora, amina miliara

Hijery ny tohiny
FTT