Finoana

Bera Kohen Hanazava ny tsiambaratelon’ny Baiboly


  • Alatsinainy 16 Jolay 2018

Taorian’ny nanazavan’ny Malakh Bera Kohen ny bokin’ny Apokalipsy tamin’ny fahitalavitra dia hitondra ilay kaonferansa mitondra ny lohahevitra hoe : Ny azy tsy nandray ny Azy, marina ve ?

 

 etsy amin’ny tranompokonolona Analakely indray ny tenany manomboka anio alatsinainy 16 jolay. Haharitra dimy alatsinainy izy io, izany hoe hifarana ny alatsinainy 13 aogositra ho avy izao. Ny tanjona dia hampianatra ny olona fa tsy hitarika ireto farany hivavaka ao amin’ny fikambanana Jodaisma Madagasikara Mesirima izay tarihiny akory. Raha hivavaka ao aminy ny olona dia misy lalana hafa tsy maintsy alehany mihitsy. Fampianarana ara-baiboly no entiny mandritra ireo dimy alatsinainy ireo, tsy mampiasa filazantsara. Hohazavainy ny mikasika ireo jiosy tsy nety nino ny Mesia izay tonga nofo tety an-tany, araka ny voasoratra ao amin’ny Jaona 1 / 11. Nomarihin’ny iraka Bera Kohen moa fa tsy misy idiran’ny adihevitra momba ny anarana ity hohazavainy ao amin’ny tranompokonolona Analakely ity fa resaka faminaniana voasoratra ao amin’ny Baiboly toy ny tamin’ny andron’i Daniela. Manasa ny rehetra izy ho tonga maro. Isaky ny andro alatsinainy manomboka amin’ny 12 ora sy sasany ka hatramin’ny 5 ora sy sasany hariva ny fotoana.

 

Pati

 


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT