Finoana

Baiboly Masina Katolika An-dalana ny fanatsarana


  • Alatsinainy 24 Febroary 2020

Tanatin’ny herinandro ary nifarana ny sabotsy teo ny famerenana ny fijerena ny dikan-tenin’ny Baiboly Katolika.

 

 

4 taona lasa izay no efa nisy hatrany ny asa nivondronana ny amin’ny fanatsarana sy fanovana ireo dikan-teny mba hanaraka ny toetrandro kanefa tsy mivaona ny hevitra. Tanjona hatrany ny hampiasana sy hikirakiran’ny kristianina ny Tenin’Andriamanitra amin’ny alalan’ny fanamorana ny famakiana ny Baiboly. Ny fivondronamben’ny Eveka eto Madagasikara miampy ireo Pretra sy Relijiozy no miantsoroka mijery indray ny dikan-teny Katolika. Tsiahivina fa efa tamin’ny taona 1938 ny dikan-teny voalohany, ny taona 1971 no nanotana, ny taona 1982 no nanotana vaovao ary ny taona 2003  no nisy ny dikan-teny farany izay ampiasaina tamin’ny Baiboly manga mandrak’ankehitriny. Rariny raha misy indray ny fandinihana ho fanatsarana ny dikan-teny satria misy fivoarana ny teny, hoy ireo tompon’andraikitra. Eo ihany koa ny fidiran’ireo voambolana vaovao ary horaketina amin’ny Baiboly ireo naoty fanazavana eny ambany miampy ireo fanehoana isan-karazany mba ho mora azon’ny mpamaky ny Soratra Masina. Na izany aza tsy maintsy tazomina araka izay azo atao ny votoatin-teny sy hevitra na amin’ny Testamenta Taloha na amin’ny Testamenta vaovao, hoy hatrany ireo tompon’andraikitra. Isaky ny 10 na 15 taona no tokony hisy ny fanatsarana tahaka izao ka afaka 5 taona izany dia ho vita soamantsara ny fanavaozana ny Baiboly Masina Katolika. Ekipa maro be no mifandrimbona amin’izany ary misy mihitsy ireo avy any ampitan-dranomasina miampy ireo mpahay teny Malagasy miezaka mafy amin’ity asa masina ity.

Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Mampaneno lakolosy ny FJKM
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Ento amin'ny fahamarinana

  • PASTERA HERITIANA
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

« Andriamanitra no manome

  • Alahadin’ny taraka
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

FJKM RASALAMA MANJAKARAY

  • Léon XIV tany Cameroun
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Fitsidihana apetraka ho

  • PASTERA HERITIANA
  • Zoma 03 Aprily 2026

Tsy voatery ho andro Alahady

  • Vondron’ny Fikambanana Masina
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

na VFM « Mitaky ny fombany ny tany, mila

Hijery ny tohiny
FTT