Baiboly malagasy vita printy voalohany

Feno 190 taona amin’ity taona ity


  • Alarobia 28 Mey 2025

Feno 190 taona amin’ity taona 2025 ity ny nahavitàna printy ny Baiboly voalohany

amin’ny teny malagasy, hoy ny fampitàm-baovaon’ny FMBM na Fikambanana mampiely Baiboly malagasy, tetsy amin’ny foibeny etsy Antaninarenina omaly. Mbola feno 60 taona amin’ity taona ity ihany koa nefa, ankilan’izay no nitsanganan’izany FMBM izany. Fahasoavana ho an’ny malagasy manontolo izany, hoy ny fanazavàna, satria ny Baiboly malagasy no tenim-pirenena vita printy voalohany teto Afrika. Isan’ny mirakitra kolontsain’ny teny hatrany am-piandohana izy io ka hatramin’izao. Tia an’i Madagasikara Andriamanitra no dikan’izany. Hetsika maro no ho tontosaina manerana ny nosy, noho izany. Lohahevitra lehibe noraisina tao amin’ny filazantsaran’i Marka 4 : 20 ny hoe «Mandre ny teny, mandray, mamoa!». Tanjona voalohany ny hahazoana tsanganan’olona tia an’Andriamanitra, tia ny tenin’Andriamanitra, mifamato-piainana amin’ny Baiboly. Ny faharoa dia ny tsangambato fanorenana indray ny foiben’ny FMBM. Ny 21 jona 1835 no natonta ny Baiboly voalohany. Ny jona 1965 kosa no niandoha ny FMBM. Ivon’ny fankalazàna, noho izany, io 21 jona io. Ny 2 febroary teo moa no fanokafana. Ny famaranana kosa dia ny 23 novambra 2025 ihany. Hisy ny fotoam-pivavahana lehibe izay hanolorana ilay Baiboly feno 190 ho an’ny filoham-pirenena malagasy. Hisy ny ranty ho an’ny tantaran’ny Baiboly sy FMBM. Ialohavan’ny fivoriamben’ny Fikambanana mampiely Baiboly rehetra aty Afrika izay ho tanterahina eto Madagasikara, ao amin’ny Radisson blu, Tana water front, ion y 14 jona hatramin’ny 25 jona. Manodidina ny 100 isa amin’ny firenena miisa 55 manerantany no hanatrika izany. Madagasikara no firenena miteny frantsay mandray izany voalohany aty Afrika, raha firenena miteny anglisy foana hatramin’izay. Hanangana olona tia an’Andriamanitra sy ny teniny isika no hanangana trano foibe vaovao koa. In-6 nasiam-panitsiana izao ilay Baiboly voalohany iny. Ny taona 2011 no fanitsiana farany. Talohan’ny taona 2024 dia nanodidina ny 70.000 eo no Baiboly novokarina sy voahelin’ny FMBM. Talohan’izay 110.000 teo. Tsy maintsy mampiely Baiboly foana izahay isan-taona, hoy hatrany ny FMBM.
Nangonin’i J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Léon XIV tany Cameroun
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Fitsidihana apetraka ho

  • PASTERA HERITIANA
  • Zoma 03 Aprily 2026

Tsy voatery ho andro Alahady

  • Vondron’ny Fikambanana Masina
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

na VFM « Mitaky ny fombany ny tany, mila

  • Mankalaza ny faha-42
  • Alarobia 25 Martsa 2026

taonany ny fiangonana Shincheonji

  • Pastera Heritiana
  • Alarobia 18 Martsa 2026

« Tokony hahitsy toa ny

Hijery ny tohiny
FTT