Finoana

Avance Center Nentin’ny vehivavy am-bavaka ny varotra


  • Talata 09 Martsa 2010

Nanamarika ny andron’ny vehivavy koa ireo mpivarotra etsy amin’ny Avance Center Behoririka omaly.

Fotoam-pivavahana nitondrana am-bavaka ny asa aman-draharaha sahanin’izy ireo sy ny andro iraisam-pirenen’ny vehivavy izay notontosaina tao an-toerana ihany no nankalazana izany. Marihina fa saika andriambavilanitra ny ankaramaroan’ireo mpivarotra amin’ity toeram-pivarotana ity. Mialoha ny fotoana izay notarihin-dRtoa Razafimalala dia nisy ny famelabelaran-kevitra nataon’ny filohan’ny Fikambanan’ny Mpivarotra ao amin’ny Avance Center na ny FIMPIAC,  Andriantsiva Edmondine momba ny tanjon’ny fikambanana. Mampirisika ireo mpanambola vahiny sy eto an-toerana hanangana fotodrafitrasa goavana  toy ny tranombarotra malalaka hampandrosoana ny sehatra ara-barotra ny tenany. 

Tsy eto an-drenivohitra ihany no hanorenana izany fa manerana ny Nosy mihitsy mba hampifandanja ny fampandrosoana raha ny nambarany ihany. Mpahazo tombontsoa voalohany amin’ny fahatanterahan’izany ny andriambavilanitra izay maro an’isa no miasa eo amin’ny sehatra ara-barotra. Notsiahiviny koa fa manome endrika ny tanàna ny fisian’ireny tranombarotra ireny. Ankoatra izay dia mangataka ny fanjakana ny FIMPIAC mba hanamora ny fandraharahana eto Madagasikara hanintonana ireo mpampiasa vola vahiny. Ny taona 2006 moa no niorina ny FIMPIAC izay mihevitra ny hanatontosa tetikasa fampandrosoana ireo mpikambana ao aminy amin’ity taona ity ka anisan’izany ny fampianarana nahandro sy ny soratra masina.
 
Lucas sy Andry   

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

  • FIHAONAMBEN'NY FIANGONANA
  • Talata 25 Aogositra 2026

Tsy mora, amina miliara

Hijery ny tohiny
FTT