Finoana

Aumonerie Samaritana tsara fanahy Manao antsoavo hifamonjen’ny mpiray tanindrazana


  • Alarobia 28 Desambra 2022

Tonga nanatitra filana andavan’andro sy tohana ara-tsakafo anatin’izao andro fety izao ho an’ireo vehivavy voafonja miisa 580 ao amin’ny fonjan’Antanimora toy ny vary 1 taonina,

koba aina ho an’ireo mitaiza kely, biskoitra, paty, kafe sy ny maro hafa omaly ny eo anivon’ny fikambanana na ONG Aumonerie Samaritana tsara fanahy sy ny fiadidiana ny kaominin’Antananarivo renivohitra. Ara-dalàna ny fitsangananay ho fikambanana mpanao asa soa izay fehezin’ny didy hitsivolana 60-133, hoy ny filohan’ny Samaritana tsara fanahy, ny mpitandrina Nestor Razafindramanitra. Tsy miankina amina fiangonana na antoko politika fa tena mahaleotena ary natao hamonjy sy hikarakara araka izay azony atao izay anjorom-bala sy mila izany rehetra, hoy izy. Miara-miasa amin’ny sokajin’olona rehetra koa na manam-pahefana io na olon-tsotra na fiangonana na vahiny na iza. Santatra am-bavarano izao fa raha sitrapon’Andriamanitra dia tsy ho ela izahay no andeha any Manjakandriana. Tsy voatery fonja no ho tsidihina fa na iza na iza mila vonjy. Laika ny fikambanana. Tsy voatery ho FJKM no mikambana ato na dia FJKM aza ny tena fa misy avy amin’ny EKAR sy finoana maro koa ato ary mbola manao antsoavo amin’izay malalatanana rehetra tsy an-kanavaka mba hifamonjen’ny mpiray tanindrazana, hoy hatrany ny filohan’ny Samaritana tsara fanahy.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Alahadin’ny taraka
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

FJKM RASALAMA MANJAKARAY

  • Léon XIV tany Cameroun
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Fitsidihana apetraka ho

  • PASTERA HERITIANA
  • Zoma 03 Aprily 2026

Tsy voatery ho andro Alahady

  • Vondron’ny Fikambanana Masina
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

na VFM « Mitaky ny fombany ny tany, mila

  • Mankalaza ny faha-42
  • Alarobia 25 Martsa 2026

taonany ny fiangonana Shincheonji

  • Pastera Heritiana
  • Alarobia 18 Martsa 2026

« Tokony hahitsy toa ny

Hijery ny tohiny
FTT