Finoana

Association Musulmane Ahmadiyya Nizara fanampiana ho an’olona 400 isa


  • Alarobia 21 Jolay 2021

Nankalaza ny fetin’ny sorona na ny Eid Al Adha izay nomarihina omaly Talata 20 Jolay ny Association Musulmane Ahmadiyya de Madagascar etsy Anatihazo Andavamamba tarihin’ny misionera an-tsitrapo Ahmed Mudassir.

 Anisan’ny tanjon’ny fikambanana rehefa fetin’ny mpino Slamo tahaka izao ny hanehoana amin’ny rehetra fa izy ireo dia manao asa famoizana ihany koa toy ny saika nanaovan’ny Hadhrat Ibrahim sorona ny zanany Hadhrat Ismael. Tsy mpampihorohoro araka ny fitsaran’ny sasany aza araka izany ny mpino Slamo fa tena mandala ny fihavanana sy mitsinjo ny mpiara-belona tokoa hoy ny misonera Ahmaed Mudassir. Nanaporofoin’izy ireo izany omaly ny fizarana sakafo ho an’ireo olona sahirana miisa 400 manodidina azy teny Anatihazo Andavaamba. Toraka izany ihany koa ny tany Fianarantsoa izay nahitana fianakaviana miisa 500, ny tao Manakara misy fianakaviana 150, ny tao Toliara misy fianakaviana miisa 150 raha manodidina ny 70 isa kosa ireo nahazo izany tao Milenaka Toliara. Tsiahivina moa fa firenena maherin’ny 215 maneran-tany no efa misy ny fikambanana ankehitriny ary miezaka hatrany izy ireo manohana ny mpiara-belona na ara-pinoana izany na resaka tolo-tanana sy fanohanana.
Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT