ASSOCIATION AHMADIYYA DE MADAGASCAR

Manamboatra ny ara-moraly sy ny ara-panahin’ny mpino


  • Talata 17 Oktobra 2023

Misafotofoto beny ihany ny zava-misy maneran-tany amin’izao fotoana izao. Mifamono ny samy olombelona,

tsy misy mahay mifandefitra….tranga maro samihafa izay mety ho tonga hatrany amin’ny ady lehibe fahatelo mihitsy raha ny fahitan’ireo mpino Slamo azy. Ho an’ireo mpino Slamo eo anivon’ny Association Musulmane Ahmadiyya de Madagascar etsy Andavamamba dia tsy misy afa-tsy ny fiverenana amin’ny fototra niaingana ihany no hahafahana misoroka izany, toro-hevitra sy fampianarana avy amin’ny mpitarika azy ireo Hadhrat Mirza Masroor Ahmad, khalifa fahadimin’ny Mesia nampanantenaina. Nifarana omaly Alatsinainy ilay hetsika Jasla Salana andiany faha-17 notanterahin’izy ireo tetsy Andavamamba. Fanamboarana ny ara-moralin’ny mpino sy ny ara-panahiny no natao tamin’izany ka anisan’ireny ny famantarana ny mpamorona, ny rariny rehetra, ny firaisankina manerantany, ny fanafoanana ny nokleary, ny fitoviana ara-toekarena sy ny famongorana ny fahantrana, ny fandavana ny mahery fihetsika….Nambaran’Atoa Ahmad Mudassir izay misionera nanolotena eo anivon’ity fikambanana ity moa fa hetsika efa fanaon’izy ireo isan-taona ny tahaka izao. Tanjona ny hamboly sy hampisy fandriampahalemana maneran-tany ao anatin’ilay loha-hevitra hoe : fitiavana ny rehetra, tsy fankahalana na iza na iza.

Pati
Legende : Tsy manao ambin-javatra ny lafiny ara-tsosialy ihany koa ny fikambanana
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT