Finoana

Asa fitoriana -FJKM 430 mianadahy noraisin-tanana teny Antsahamanitra


  • Alatsinainy 19 Oktobra 2015

Nitombo indray ny fianakaviamben’ny mpanao asa fanompoana eo amin’ny sahan’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara (Fjkm) satria dia 430 mianadahy izay mpitoriteny sy katekista ary mpiandry no navoaka sy notsofin-drano ary noharabaina teny Antsahamanitra ny sabotsy 17 oktobra lasa teo

 


 

. Nisalotra ny anarana « Sakaiza » izy ireo ary ankoatra ny fianarana norantovina tao amin’ny SEFALA (Sekoly Fanomanana Laika)  izay nofaranana tamin’ny fanadinana an-tsoratra sy am-bava, dia nahavita tafika masina ihany koa izy ireo. Avy ao amin’ny Synodam-paritany Antananarivo Atsinanana ireto andiany navoaka ny sabotsy teo ireto. Ny fianarana sy ny fanadinana no vita, saingy izao vao manomboka ny tena asa, hoy ireo rehetra nandaha-teny teny Antsahamanitra, ary tena goavana ny asa miandry satria samy miaiky ny rehetra fa manjaka eto  Madagasikara ny lainga, kolikoly, fahalovana, herisetra, fanompoan-tsampy sy filalaovana ody manimba sy mamono. Fototry ny asa hataon’ireto katekista sy mpitory teny ary mpiandry ireto ny fitoriana ny tenin’Andriamanitra sy ny fampahafantarana an’i Jesoa Kristy, izay lalana sy fahamarinana ary fiainana. “Andresena ny tahotra ny finoana”, moa no lohahevitra banjinin’ny Fjkm amin’ity volana oktobra ity ary dia nasongadin’ny mpitory teny Robson Rado lalaina Johary mpitandrina teny Antsahamanitra izany. Nitarika ny fotoana kosa ny mpitandrina Ramanantsalama Hasina, tale n’ny ivontoerana SEFALA Ambohitseheno.


RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT