Finoana

Arsevekan’Antananarivo Nanamafy ny mbola fikatonan’ny EKAR


  • Alatsinainy 27 Aprily 2020

Samy mangetaheta ny hihaona any am-piangonana hiara-midera sy misaotra an'Andriamanitra indrindra tamin'ny fetin'ny Paka teo isika; nefa tsy afa-nanoatra isika.

 

 

 

 

Na izany aza dia fantantsika fa misy antony lehibe ara-pahasalamana no nahatonga ny fanakatonana ny Fiangonana rehetra. Isaorana ny mpiray Fiangonana tao amin'ny FFKM sy ny hafa koa niara-nanaiky io fandaminana io. Ary anisan'ny nanampy tamin'ny fiadiana tamin'ny fiparitahan'ny valan'aretina Corona Virus izany, hoy ny Aresevekan’Antananarivo Mgr Odon Marie Arsène Razanakolona. Mikasika ny fahafahana mivavaka am-piangonana dia anjaran'ny Eveka isaky ny Diosezy ny manome toromarika amin'izay tokony atao. Ho an'ny Diosezin'Antananarivo, mbola tsy misokatra ny Fiangonana, mitohy ny fankalazana ny Eokaristia ataon'ny Pretra ao am-piangonana, tsy atrehin'ny vahoakan'Andriamanitra. Nentanina ny Kristianina hanaraka ny Eokaristia Masina amin'ny alalan'ny haino aman-jery. Ankoatry ny fandaharana mivantana miainga ety amin'ny Katedraly Andohalo sy ao amin'ny Radio Don Bosco dia tsy misy Paroasy afaka mandefa fandaharana amin'ny haino aman-jery na aiza na aiza.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT