Finoana

Arrupe Faravohitra “Foanana amin’ny fomba Kristianina ny herisetra”


  • Alakamisy 26 Novambra 2020

Nirongatra tato ho ato ny herisetra atao amin’ny vehivavy na dia efa nisy foana aza tato ho ato,

 

 

hoy ny Mompera Siprien Medar Razafindrainy, talen’ny ivon-toerana Arrupe Madagascar. Tanjon’ny Arrupe ny hanafoana izany amin’ny fomba Kristianina satria fikambanana Kristianina izahay. Dingana fahatelo amin’izay famongorana izay no natomboka anio (TTF: omaly) satria natomboka tamin’ny fampiofanana mikasika ny fomba hiadiana amin’izany no natao voalohany. Taorian’izay dia nampihatra ny fiofanana noraisiny tamin’ireo toerana nisy azy manerana ny nosy ireo mpiofana. Ankehitriny dia miditra amin’ny fanangonana traikefa momba izay fampiharana izay sy ny zava-baovao misy eo amin’ity resaka herisetra atao amin’ny vehivavy ity no natao tetsy amin’ny Arrupe Faravohitra. Miisa 50 teo moa ireo mpizaika ary isan’ny tsikaritra ho nampirongatra ny herisetra, raha ny fanazavana hatrany, ny fivoizan’ny haino aman-jery ilay tranga. Mila mametraka tsindry ihany koa anefa ny haino aman-jery mba tsy hisy intsony ny hoe maty I Ratsimandrava dia vitavita fotsiny any, may ny rova dia vitavita fotsiny any, voaolana ny zaza dia vitavita fotsiny ihany fa mila ampiharina ny lalana satria mba tany tan-dalana ihany isika, hoy hatrany ny Arrupe.

 

 J. Mirija

 

Legende: Ireo mpizaika tetsy amin’ny Arrupe

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT