Finoana

ARIO NY TAHOTRAO !


  • Sabotsy 10 Oktobra 2015

Ahatsiarovana ilay tononkira malaza ao amin’ny fihirana FFPM (460) io lohahevitra io. Tsy kisendrasendra no hiresahana azy na sendra tonga tao an-tsaina fa tena zava-misy iainana sady manimba zavatra maro ny ‘’tahotra’’. Mampalahelo anefa fa tena fiainana isan’andro toa tsy azo ihodivirana izy.

 .

 

Mampatahotra ny vaovao rehetra (saika izy rehetra) miseho eo amin’ny Gazety, miteraka tahotra ny fidangan’ny vidim-piainana, tahotry ny hanome, tahotra ny areti-mandoza samihafa, tahotra ny mpanohitra, tahotra ny manampahefana, eny hatramin’ny fahasoavana nomen’Andriamanitra ny firenena toy ny fisian’ny solika aza miteraka tahotra sao hitondra korontana na ady …

Tsorina anefa fa tena manimba ny tahotra ary io no fiadiana mahery indrindra ampiasain’ny fahavalo mba hahatonga anao ho resy sy hiondrika. Fantatr’ireo mpitondra jadona nanan-tantara teto ambonin’ny tany izany ka nampiasainy ny ‘’fampihorohoroana’’mba hatahotra ny vahoaka … Koa na dia hita miharihary aza ny tsy rariny dia mangina satria matahotra.

NY FINOANA NO ANARIANA NY TAHOTRA

Atao ahoana no fanary io tahotra io ?

Ny finoana izay nolazain’Andriamanitra taminy no nitondran’i Mosesy na Moizy ny Zanak’Israely ho olona afaka, tamin’ny fangejana sy fanandevozana tany Egypta.

« Finoana no nandaovany an’i Egypta, ka tsy natahorany ny fahatezeran’ny mpanjaka ; fa naharitra toy ny mahita Izay tsy hita izy. » Hébreo 11.27

 Toy ny siansa mihitsy no ahasahiako milaza hoe ‘’ny olona matahotra dia voahidy ao anaty tsy fahombiazana sady hitsahin’ny sasany ny zony hiaina anaty fahafahana ’’

Tsy finoana poakaty sy fahatokisan-tena diso toerana anefa no handresena ny tahotra fa fiankinana amin’Andriamanitra ka ny tahotra an’Andriamanitra no mandresy ny tahotra manimba ny maha olona. Tahotra mandresy ny ‘’tahotra’’izany !

NY MARINA MANAFAKA NY MATAHOTRA

Ny fahalalana ny marina ihany koa no handresena ny tahotra, hoy ny Soratra Masina. Rehefa tsy mahalala ny marina dia resin’ny tahotra Ianao ary handevozin’izany tahotra izany, hanao ny sitrapon’Ilay ratsy. Ny marina no manafaka ny olona amin’izany. Fa voasoratra hoe :

 :

«  ho fantatrareo ny marina, ary ny marina hahafaka anareo tsy ho andevo.» Jaona 8:32

Fieritreritra : Rehefa manaiky hampitahorina sy matahotra ny olona dia mijanona ho mahantra sy ambany ziogan’ny ratsy fa rehefa sahy ‘’manohitra ny ratsy izy’’ dia mandroso ho olona afaka. Azo ampiharina amin’ny fandraharahana izany, azo ampiasaina amin’ny fianarana, azo ihoirana amin’ny fahantrana. Olona SAHY no mifanohitra amin’ny hoe ‘’MATAHOTRA ‘’. IANAO no aronay ka dia sahy izahay ! Fihirana FFPM 627. Tsy olona sahisahy foana anefa  no ilain’ny Fiangonana sy ny Firenena fa olona miaraka amin’ILAY MAHERIN’I JAKOBA (Genesisy 49 :24) ka sahy manohitra ny alon-drano sy ny rivotra.

                                      RANDRIAMISATA Roger, Mpitandrina

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT