Finoana

ARETINA AMBALAVELONA « Mitovy amin’ny covid-19 »


  • Alarobia 27 Aprily 2022

Aretina avy amin’ny fanahy ratsy ny aretina ambalavelona. Mitovy amin’ny COVID 19 ihany izy io raha araka ny fanazavan’ny pastera Heritiana, antony mahatonga azy ho afaka mifindra amin’ny alalan’ny fifandraisan-tanana sy ny fifampijerena fotsiny ihany.Toy

ny misy fanahy mitondra izy ireny ka afaka misafidy izay olona tiany hidirana no sady haingana ihany koa ny fiparitahany manerana izao tontolo izao ho an’ny COVID 19. Ho an’ny ambalavelona manokana indray dia ao Morondava sy Ambatondrazaka no tena betsaka olona voany eto amintsika. Misy manerana ny faritra anefa izy io saingy ny anarany no samihafa hoy hatrany ny pastera Heritiana. Mikasika ny anaran’ireo olona izay tononin’ireo tovovavy mandritra ny fotoana hihetsehan’ilay aretina dia nambarany fa mety ho marina nefa mety tsy ho marina ihany koa. Raha Rakoto mantsy hoy izy no anarana voatonon’ilay tovovavy iray voa satria mety noeritreretiny fatratra talohan’ny nihetsehan’ilay aretina dia miampita avy hatrany any amin’ireo tovovavy hafa izany izay ahitana taratra hatrany ny fiasan’ilay fanahy ratsy. Na izany aza dia nomarihiny manokana fa anisan’ny aretina mora sitranina intsony ny ambalavelona amin’ny alalan’ny fanaovana vavaka fanafahana.
Pati
Legende : Pastera Heritiana Randriarimalala, tompon’andraikitra voalohany eo anivon’ny trano fivavahana Vahao ny oloko !
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT