APOSTOLY TSARATSARA

« Vao mahazo toerana dia tsy miharahara vahoaka intsony »


  • Alatsinainy 15 Jolay 2024

Naneho ny heviny mikasika ny zava-misy eto amin’ny tany sy ny firenentsika ny Apostoly Tsaratsara

ny faran’ny herinandro teo. Nambarany fa tena mampiasa saina tokoa izany noho ny tsy fahafantarana intsony izay mety ho avin’ny firenena. Ho an’ireo olobe manokana dia notsindriany fa rehefa mahazo toerana izy ireny dia tsy mijery intsony ireo vahoaka nifidy azy. Rehefa fotoanan’ny fampielezan-kevitra ihany izy ireny no midina eny ifotony hoy izy fa rehefa azony izay ilaina dia velona ry tany. Mikaikaika vokatr’izany ny vahoaka hoy Apostoly Tsaratsara indrindra fa ny any amin’ny faritra. Midangana avokoa ny vidin-javatra rehetra, ratsy ny lalana indrindra fa ny lalam-pirenena. Ny miazo ny distrikan’i Morondava sy Miandrivazo Faritra Menabe manokana dia nomarihiny fa lasa hatao ao anatin’ny 2 andro amin’izao…Vahaolana arosony araka izany ny tokony hanatanterahan’ireo olobe rehetra fikaonandoha hitadiavam-bahaolana. Tsy tokony ankinina amin’ny Filoham-pirenena sy ny lehiben’ny governemanta irery intsony ny raharaha hoy hatrany izy fa ny rehetra no tokony mifandrimbona. Ny mampalahelo anefa hoy hatrany Apostoly Tsaratsara dia rehefa tsy iray fikambanana amin’ireo maro an’isa eto amin’ny tany sy ny firenena ianao dia tsy afaka mandray fitenenana na mifampiresaka amin’izy ireo akory.
Pati
Legende : Ny Apostoly Tsaratsara !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

  • FIHAONAMBEN'NY FIANGONANA
  • Talata 25 Aogositra 2026

Tsy mora, amina miliara

Hijery ny tohiny
FTT