Finoana

Apostoly Tsaratsara Tsy misy ifandraisany mihitsy amin’i Marc Tatandraza


  • Alarobia 04 Septambra 2019

Nitondra fanamarihana ny Apostoly Tsaratsara sy mpiara-miasa aminy fa tsy misy ifandraisany na akaiky na lavitra amin’i Marc Tatandraza mihitsy izy ireo ka ahitsy ny vaovao nivoaka an-gazety naha voatonontonona ny anaran’ny Apostoly Tsaratsara ao anatin’ny vaovao mikasika an’i Marc Tatandraza.

Tsy misy ifandraisany mihitsy ireo olona roa ireo, hoy ny fanazavana azo avy amin’ireo mpiara-dia amin’ny Apostoly Tsaratsara ka atao izao fanitsiana izao mba tsy hampiroaroa saina ireo mpanara-dia ity farany. Nanamafy izy ireo fa ho avy ny fotoana mbola hitenenan’ny Apostoly Tsaratsara ny amin’ny tohin’ny hetsika fitoriana ny tenin’Andriamanitra ataony saingy manana ny fotoanany moa ny zava-drehetra ary samy manana ny fandaharam-potoanany ihany koa ny tsirairay… Noho izany indrindra, dia manaingy ny rehetra tsy hiroaroa saina sy tsy hampifangaro ireo lafin-javatra roa tsy dia misy ifandraisany ireo ny Apostoly Tsaratsara sy ireo mpiara-dia aminy.

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT