Finoana

Apostoly Tsaratsara sy Pasitera Mailhol Samy nilaza ho voatendrin’ny Tompo hitondra an’i Madagasikara


  • Talata 12 Mey 2020

Samy nilaza ho voatendrin’ny Tompo ho filoha hitondra ny firenena Malagasy avokoa ireo mpitondra fivavahana mirahalahy malaza eto amintsika ankehitriny dia ny Apostoly Tsaratsara sy ny Pasitera Mailhol raha nifandimby niditra tao amin’ny fandaharana manokan’ny televiziona tsy miankina iray eto an-drenivohitra tamin’iny herinandro lasa teo iny.

 

 

 

 

 

 Ny hitovizan’ireo Pasitera mirahalahy ireto dia izy ireo samy milaza ho mpaminany mahafantatra ny ho avy any aoriana ary samy manana mpino marobe avy mpanaraka azy ireo. Izy ireto koa dia mbola samy nanambara fa tsy mankasitraka ny fanonganam-panjaka ary samy tsy hitarika olona an-dalam-be amin’izany fiakaran’izy ireo eo amin’ny fitondrana izany ary samy mbola tsy misy mieritreritra ny hirotsaka ho fidiana ho filoham-pirenena amin’ny fifidianana manaraka amin’ny taona 2023.

Ntsoavina Evariste

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT