Apostoly Tsaratsara

«Mantsina ny tanindrazana, mijaly ny vahoaka »


  • Alakamisy 07 Desambra 2023

Namoaka hafatra miantso ireo olona manana kamio mba hifanome tànana

handroaka ny fako eto Antananarivo ny Apostoly Tsaratsara ny andron’ny omaly, tamin’ny alalan’ny horonan-tsary niparitaka nataony, ary notronin’ireo mpiara-dia aminy. Naneho izy tena maimbo tanteraka Antananarivo, tototry ny fako, difotra ny tanànan’Antananarivo ka tsy An-dohalika intsony ny ranombary fa efa an-tendakely. Ny fety ho avy kanefa ny vahoaka sempotry ny fako, ka izay rehetra aleha dia tototra avokoa toy ny eny La Réunion kely, andrefan’ny Toby Ratsimandrava, Akorondrano, Anosibe ka mba mieritrereta fa mba samy olombelona. Mba malahelo ihany mahita an’io amin’ny maha Raiamandreny, hoy hatrany izy. Efa ela aho no nipetraka teto, malahelo aho mahita ny fako Mijaly ny vahoaka, tratry aretina, voan’ny sery, hoy izy nampahatsiahy fa isan’ny nanaovana velirano Antananarivo ka anatin’izany ny fahadiovana kanefa io no mitranga. Nomarihiny ihany koa fa hisy ny fety lehibe amin’ny fianianana, kanefa ny vahoaka tototry ny fako. « Mitady kamio aho handraofako ny fako haterina eny anoloan’ny kaominina, eny amin’ny Lapan’ny tanàna, izaho no hanatitra ny fako. Manambara aminareo fa lozabe ny mahazo antsika, tao anatin’ny veliranon’ireo, ary teny navoakan’ireo ny hoe : raha tsy voaraoka ny fako dia atero any am-baravarana », hoy ny Apostoly Tsarasara nampahatsiahy. Nilaza ny tenany fa manana ekipa maro be, efa an’arivony hitondra lapelina hisorohana ny fako, hatao anaty kamio ary haterina eny amin’ny Lapan’ny tanàna. « Lasa tsy masina ny tanindrazana, fa mantsina ny tanindrazana, maimbo ny tanindrazana, ka miangavy fa tena olana be ity », hoy hatrany I Apostoly Tsaratsara. Nilaza ity farany fa tsy mihantsy ady fa mila fahadiovana Antananarivo. Efa nanao fihetsika nitondra fako teny amin’ny Lapan’ny tanàna moa i Faniry Alban Rakotoarisoa na
NY TANIMBARIN’OLONA TOTOFANA KANEFA NY ASA TSY NATAO
Nahitsy ihany koa io mpitarika antokom-pivavahana io, fa betsaka ny fampanantenana tahaka ny « Autoroute », totofana ny tanimbarin’olona, mijaly ny olona ary an-dranomaso noho ny fahasimban’ny tanimbary. Ny làlana tsy natao ny tanimbarin’olona nototofana ka mitomany ny vahoaka izay manana taratasy ara-dalàna. Betsaka no mitaraina sy miantso ahy, fa tena mijaly ny vahoaka, hoy hatrany i Apostoly Tsaratsara.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT