Finoana

Apostoly Marc Tatandraza Tsy hanao politika mandrakizay aho


  • Zoma 28 Jolay 2017

Taorian’ny nanaovan’ny Apostoly Marc Tatandraza fanambarana goavam-be fa tsy maintsy handeha hody any amin’ny Ray izy dia betsaka ny resaka nandeha momba azy.

Namaly indray ny tenany omaly fa maro  ny olona  nanome tsiny  saingy manana ny antony manokana izy. Izay no mety amiko mba tsy hahavery ahy any amin’ ny helo satria izaho  tsy hanaiky velively ny hanompo an’i  satana devoly. Naveriny indray fa tsy  hamono tena izy fa hody moramora. Tsy  hanao politika  ihany koa na dia betsaka aza ireo mitady ahy.  Aleoko maty toy izay hanompo an’i satana. Tsy hanaiky ny finoana silamo ihany koa  aho. Toraka izany koa ny franc maconnerie izay  notsindriany fa tsy hidirany mandrakizay na dia hotambazana  vola be aza izy . Aleoko maty dieny tsy mbola nanota toy izay hivadika amin’i Jehovah  Andriamanitra izay naniraka ahy. Nomarihiny manokana fa mirehitra mafy aminy ny fahatezeran’ireo mpanao politika amin’izao fotoana, antony  mampahazo vahana hatrany ny fanejehana azy. Tsy manana alahelo amin’ny rehetra izy fa miantso sy manentana ny rehetra  mba handeha amin'ny fahamarinana. Tsiahivina moa fa dahalo niova fo ny Apostoly Marc Tatandraza. Efa in-droa maty izy tamin’ny taona 2012 ary tamin’ny taona 2007 no nanolorany tena voalohany ho an’Andriamanitra.

 

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT