Finoana

Apostoly Marc Tatandraza Amin’ny volana desambra no handao tanteraka ny tany


  • Talata 10 Oktobra 2017

Amin’ny volana desambra ho avy izao vao tena handao tanteraka ny tany ny Apostoly Marc Tatandraza.

Hisy ny fihaonany mivantana amin’ireo manampahefana ambony rehetra amin’ity herinandro ity, manomboka eny anivon’ny fokontany ka hatrany amin’ny filoham-pirenena hitondrany fanazavana mahakasika ny tenany sy ny asa niandraiketany noho ny hamaroan’ireo honohono mandeha momba azy. Tafiditra ao  ny minisitra tsirairay avy sy ireo lehiben’ny mpitandro ny filaminana eto Antananarivo. Nomarihiny fa mety tsy hisy olana io fihaonana io satria efa betsaka ireo manampahefana nanafatra azy hifampitafa mivantana aminy. Ho any an-danitra aho, hoy izy. Efa vita  ny asa nampanaovin’ny Ray  ahy dia ny fitoriana ny filazantsara manerana ny Nosy. Olona efa maty aho no natsangan’i Jesosy Kristy ary tsy vatan’olombelona intsony aho hitanareo izao. Nomarihiny manokana fa anisan’ny antony niverenany ny hanambarana amin’ny vahoaka Malagasy ny tena zava-misy marina any amin’ny helo any amin’ny fiainan-tsy hita. Afaka mihaona amin’ny olon-drehetra maniry ny hitafa aminy ihany koa ny Apostoly Tatandraza, arahin’ny fizarana ireo kapila mangirana ho fahatsiarovana azy, mialoha ny tena handaozany ny tany tanteraka.


Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT