Finoana

Apokalipsy 1000 ny fiangonana, 1 tapitrisa ny mpino


  • Alakamisy 27 Jolay 2017

Fotoan-dehibe ho an’ny fiangonana Apokalipsy tarihin’ny Pastera Mailhol na Atoa André Christian Dieu Donné ny datin’ny 05 Aogositra ho avy izao.

Hofaranana amin’io andro io mantsy ny fankalazana ny faha-20 taona nijoroan’ny fiangonana teto amintsika lanonana izay tsy hijanonana hatreo raha araka ny fanazavan’ny pastera Mailhol. Hosokafana amin’io andron’ny 05 Aogositra io ihany koa  mantsy ny faha-20 taonan’ny radio Fanambarana izay an’izy ireo ihany, radio naorina 12 volana taorian’ny nijoroan’ny fiangonana Apokalipsy. Anisan’ny vokatra azon’izy ireo tamin’ity radio iray ity raha araka ny fanazavana azo hatrany ny fitoriana ny filazantsara tsy nijanona teto Madagasikara, antony nampitombo ny fiangonana Apokalipsy ho 1.000 isa ankehitriny misy mpikambana manodidina ny 1 tapitrisa. Vina apetraky ny fiangonana manaraka ny hangataka fahazoan-dalana amin’ny fanjakana mba hahafahana manangana vata fahitalavitra ho azy ireo manokana  raha toraka izany ihany koa ny fananganana trano manokana ho an’ny radio izay horaisin’ny fikambanana an-tanana.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT