Finoana

Antso sy fanairan’ ny FFKM Hanana fanetren-tena ve ny mpitondra ?


  • Alarobia 20 Jolay 2022

Manomboka mivoaka amin’ny fahanginany ireo olobe voasokajy ho eken-teny eto amin’ny tany sy ny firenena n any “autorités morales” manoloana ny zava-misy, ny olona mianjady, ny fahoriana mahazo ny vahoaka Malagasy. Nanao antso avo ny FFKM (Fiombonan’ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara) manoloana ny ambarany fa disadisam-piainana isan’andro miseho etsy sy eroa izay tsy ahitam-bahaolana,

ny tsy fandriampahalemana mivantana sy volena an-kolaka, ny fiakaran’ny vidim-piainana lavareny hatramin’ny fiandohan’ny taona 2022 ampian’ny fiakaran’ny vidin-tsolika. “Tsy mitazam-potsiny akory ny Tompo fa mandre ny antsoantsontsika, ary matokia azy fa Mpamonjy mahavonjy antsika ao anatin’ny fahoriana rehetra, sy ny adim-piainana, ary ny olana samihafa izy, na amin’ny sondrobidim-piainana, na amin’ny tsy fahasalamana, na amin’ny tsy fandriampahalemana”, hoy ireo Filoham-piangonana 4 miralahay. Mangataka ny FFKM ny mba hijery vahaolana mahomby amin’ny fiahiana ny andavanandrom-piainan’ny vahoaka; hampihena ireto fandaniana sy hetsika izay tsy mitondra vokatsoa, fa mba hampiroborobo ny vokatra eto an-toerana, sy ny fitrandrahana ireo harena an-kibon’ny tany, sy hanamora ny fivezivezen’ny tsenam-bokatra, hahafahan’ny malagasy rehetra misitraka feno izany rehetra izany. Niantso ny rehetra na ny ao amin’ny fitondrana, na ireo rehetra izay tsy ao anatiny, ny vahoaka rehetra mahatsiaro ho manana andraikitra sy manan-kevitra amin’ny famahana ny olam-bahoaka, mba hifanantona sy hifanolo-kevitra, ary hifampiresaka ao anatin’ny fihavanana; hiara-mientana ho famahana izao olam-piainana izay mampikaikaika ny valalabemandry izao, ka hiara-hiezaka hikatsaka ny soa iombonana hoan’ny vahoaka malagasy.
HANANA FANETREN-TENA VE ?
Maso tsy mitanila, ary mahita ny zavatra iainan’ny vahoaka izay ondriny ny FFKM. Matoa tonga amin’ny fampananenoana lakolosy sy fanairana hisian’ny fiarahana mikaro-bahaolana dia efa tena mena tanteraka ny tondro. Tsy vitan’ny fifamaliana sy fifanandrinana ara-politika intsony, tsy vitan’ny fampanantenana poakaty lava fa tena vahaolana miantraika any amin’ny isam-batan’olona. Tsy vao ny FFKM, fa efa maro ireo sehatra nanao antso avo, ka isan’ny efa naneho, ohatra, ny Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana fa tsy tokony hionona fotsiny amin’ny endrika fanabadoana amin’ny fampitahana ny eto sy ny any ivelany izay tsy mitovy ny Fanjakana, tokony hifanantona amin’ny hery rehetra eto amin’ny tany sy ny firenena, na hanaja tena hiala am-pilaminana rehefa mahatsapa fa tsy fa efa tena songonan’ny zava-misy sy mihoatra ny fahaiza-manaony ka tsy voavaha intsony ny olana. Tena hanam-piniavana hanetry tena hifanantona sy hisokatra ary hifampihaino amin’ny ivelan’ny Fitondrana ny Fanjakana ankehitriny ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Alahadin’ny taraka
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

FJKM RASALAMA MANJAKARAY

  • Léon XIV tany Cameroun
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Fitsidihana apetraka ho

  • PASTERA HERITIANA
  • Zoma 03 Aprily 2026

Tsy voatery ho andro Alahady

  • Vondron’ny Fikambanana Masina
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

na VFM « Mitaky ny fombany ny tany, mila

  • Mankalaza ny faha-42
  • Alarobia 25 Martsa 2026

taonany ny fiangonana Shincheonji

  • Pastera Heritiana
  • Alarobia 18 Martsa 2026

« Tokony hahitsy toa ny

Hijery ny tohiny
FTT