Finoana

Antso Fiarahamonina Kristianina “Tsy maintsy atao izay hisainan’ny Malagasy ny fireneny”


  • Talata 08 Desambra 2020

Nivoaka ny sabotsy teo tetsy amin’ny foibeny etsy Alarobia ny boky faha 6 sy

 

 

 

faha 7 famoakan-drizareo eo anivon’ny Antso fiarahamonina Kristianina izay mirakitra ny vina heveriny azo hanavotana ny firenena manoloana izao olana mianjady aminy izao. “Une nation symbiotique et symbiotisante” na hoe firenena mifanome aina sy mampisy firaisan’aina no lohantenin’ny boky faha 6 ary « Une population moteur et finalité du développement » na koa hoe vahoaka fototra sy antoky ny fampandrosoana kosa no lohantenin’ny faha 7. Mialohan’ny fivoahan’ny boky faha 8 farany dia hisy ny fikaonan-doham-pirenena maro izay kasain’izy ireo atomboka ny 27 febroary 2021 izao. Ho adika amin’ny teny Malagasy ireo boky saingy noho izy tsy maintsy adika amin’ny tenim-pirenena maro kosa no antony nanombohana azy amin’ny teny frantsay, hoy ny mpanoratra, Ricky Andriamparany, satria araka ny faminaniana maro dia I Madagasikara no hipoiran’ny hazavana hielim-pantrana maneran-tany. Tsy maintsy atao, hoy izy, izay hahatonga ny Malagasy hisaina ny fireneny fa tsy olom-bitsy ihany no hisaina ny aminy. Tsy maintsy ovana ny fomba fitantanam-bolam-panjakana na “systeme de comptabilité national” satria ny misy eto izao dia ilay mamoaka antontan’isa ahafahan’ny mpamatsy vola mampitaha antsika amin’ny firenen-kafa foana. Ny tanjonay sy tanjontsika izao dia tsy maintsy atao mpiara-miombon’antoka na “actionnaire” amin’ny harem-pireneny ny vahoaka Malagasy fa tsy mety raha ny mpiasam-bahoaka indray no velomina irery eo nefa mitaingina an-tampon-doha ny mpandoha hetra fotsiny, hoy hatrany ny AFK.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT