Finoana

Antso fiarahamonina Kristianina “Tsy fitantanana io atao eto io”


  • Alatsinainy 05 Oktobra 2020

“Tsena mampiray aina sy mampisy firaisan’aina”, izay indray no boky faha efatra navoakan-drizareo avy eo anivon’ny fikambanana Antso Fiarahamonina Kristianina na AFK ary nosoratan’ny filoha mpanorina azy, Ricky Andriamparany.

 

 

 Nampahafantarina ny sabotsy teo tetsy amin’ny foiben’izy ireo etsy Alarobia izy io. Tanjona ny hampahafantatra ny mpitondra sy ny Malagasy rehetra fa tsy ny vola na zavatra hafa akory no ivon’ny toekarena ao anatin’ny firenena iray fa ny tsena. Mila hamoraina, hoy ny mpanoratra, ny fifandraisana eo amin’ny governemanta sy ny vahoaka Malagasy na koa ny vahoaka Malagasy sy ireo tompon’andraiki-panjakana tsy an-kanavaka. Ny ahafahan’ny olombelona tsy ho very dia tsy ny asa sosialy fa ny fanomezana azy sehatra hampivelarany ny talentany. Izany no atao hoe tsena. Tsy hoe resaka tolotra sy tinady ny tsena fa toerana hahafahan’ny olona rehetra, na tsy manam-bola aza, mba hampiasa sy hampivelatra ny talentany. Mila averina amin’ny hasiny ny rafitra rehetra. Ny zava-misy ankehitriny dia fandrisihana hanaisotra izay mampiavaka antsika fa fampihazonana izay mampiray fotsiny na ilay atao hoe “unification homogénéisante”. Tsy izany no ilaina fa fifanajana ao anaty fahasamihafana, hoy hatrany ny mpanoratra. Tsy voatery hisy vola vao afa-mihetsika fa na fampitana hevitra aza dia afaka hanova zavatra eto. Mba nianatra kely momba ny atao hoe fitantanana ny tena, hoy hatrany ny AFK, fa io atao eto io dia tsy fitantanana satria ilay olona mitantana ny harena eto amin’ity firenena ity no ataonao mitovy lenta amin’ny masinina na hoe “ressources humaines”. Raha tianao ho tompon’andraikitra eto amin’ity firenena ity ny olona dia omeo lanja. Amin’ny alalan’ny tsena voalaza teo tafahorina eto no ahatongavana amin’izany ary izay, hoy ny AFK, no mahatonga anay hilaza hoe hamorao ny fifandraisana eo amin’ny vahoaka sy mpitondra na tompon’andraiki-panjakana.

J. Mirija 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT