Finoana

Antso fiarahamonina Kristianina “Andao hanangana fiarahamonina tsy mifanambaka”


  • Alakamisy 12 Novambra 2020

Andao hanangana fiarahamonina tsy mifanambaka fa azo atao eto izany, hoy ry zareo eo anivon’ny vovonana Antso fiarahamonina Kristianina na CRF-AFK

 

nandritry ny fampahafantarana ny boky faha 5 famoakan’izy ireo isam-bolana tao anatin’izay 5 volana izay mba hitondrana vahaolana eto amin’ny firenena, tetsy amin’ny foibeny etsy Alarobia. Araka ny fanazavan’ny filoha sady mpanoratra ireo boky, Ricky Andriamparany, dia mbola misy boky 3 hafa hivoaka aorian’ity nampitondrana ny lohateny hoe “La richesse des nations: d’abord l’être humain, puis la nature, enfin le reste” ity. Izany hoe 8 no fitambarany. Hiato kely, hoy izy, rehefa tonga eo amin’ny boky faha 7 satria ilaina ny fandinihana ny efa vita amin’ny alalan’ny filankevim-pirenena amin’ny sehatra rehetra. Matoa natsangana ny AFK dia satria tsy mahay miara-monina ny Kristianina. Mifampitsikitsiky sy mifanoroka any am-piangonana fa mipatitaka kosa rehefa resaka fandraharahana, izany hoe, vola. Ity boky faha 5 ity, araka ny lohanteny nomena azy dia natao hanehoana fa ny olombelona no harem-pirenena voalohany. Ny natiora avy eo. Ny hafa rehetra aoriana. Hita ao anatin’ireo boky 5 sy izay ho avy manaraka, hoy ny AFK, fa azo ampiharina eto ny fiarahamonina tsy mifanambaka, tsy mifampitsetsitra ary mifampivelatra raha ankatoavintsika. Isan’ny olan’ny toekarem-pirenena, raha ny nambaran’ny mpanoratra, ny tsy fisiana rafitra mitantam-bola eto amintsika. Miankin-doha amin’ny vola vahiny isika nefa afaka mamorona vola eto an-toerana ihany, hoy izy.

J. Mirija

 Legende: Ny filohan’ny AFK

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT