Finoana

Antso fiaraha-monina Kristianina « Misy sakana 7 tsy mampandroso an’i Madagasikara »


  • Alakamisy 09 Martsa 2023

Tsy mipetra-potsiny ny AFK na Antso fiaraha-monina Kristianina tarihin’ny filoha nasionaly Andriamparany Ricky manoloana ny zava-misy iainana sy lalovan’ny firenena ankehitriny.

Taorian’ny fikarohana sy ny famakafakana nataony dia nampahafantariny ny mpanao gazety omaly fa efa hitany ireo antony fito, sakana lehibe tsy hahafahana mampandroso an’i Madagasikara. Raha ny faminaniana azo anefa hoy izy dia anisan’ny firenena hanana ho avy mamiratra i Madagasikara. Nambarany ampahibemaso araka izany fa mila harenina ny sehatry ny fanabeazana eto amintsika. Faharoa ny resaka fitantanan-draharaham-panjakana izay mbola nolovaina tamin’ny taonjato ka tokony ovaina. Tena mety hoy izy raha mba samy misitraka ny tany sy ny harena eto Madagadikara ny Malagasy rehetra fa tsy misy hahilika na dia iray aza. Eo ihany koa ny fitantanana ny toe-karena izay ny matanjaka ihany no tena mahazo rariny eo amintsika fa vonoina ankolaka ny madinika. Ny fihavanana izay mbola manaiky ny tsindry hazo lena hatao amin’ny hafa arahin’ny fanaovana tsinontsinona ireo olona sahirana izay heverina ho tsy manan-kasina nefa mitovy avokoa ny hasina hoy izy raha mbola olombelona. Farany izay tsy kely hoy Andriamparany Ricky dia lasa tsy loloavin’ny olona an-tampon’ny loha intsony Andriamanitra fa zavatra hafa. Raha ireo no voaverina amin’ny laoniny hoy hatrany ity filohan’ny AFK ity dia hilamina ho azy ny fiainam-pirenena ary handroso ny fiainan’ireo Malagasy 27 tapitrisa ao aminy.
Pati
(Sary fanehoana)
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT