Finoana

Antso fiaraha-monina kristianina Hanatanteraka ny vinan’Andriamanitra ho an’i Madagasikara


  • Alarobia 22 Martsa 2023

Vonona hanatanteraka ny vinan’Andriamanitra ho an’i Madagasikara ny Antso Fiaraha-monina Kristianina na ny AFK tarihin’ny filohany Andriamparany Ricky.

Nisy omaly ny dinidinika niarahana tamin’ny mpanao gazety mifandraika amin’izany izay tsy mivoana amin’ireo loha-hevitra fito nambarany fa tokony hovahana eto amin’ny tany sy ny firenena raha tiana ho tonga any amin’ilay ho avy mamirapiratra i Madagasikara. Efa hananantsika ny fitaovana hoy Andriamparany Ricky fa ny olona sisa no andrasana. Efa maro ihany koa hoy izy ireo hetsika notanterahina toy ny atrikasa, ny foroma, ny sempozioma…. Tsy maintsy hajoro eto Madagasikara araka izany hoy izy ireo fanovana fito ireo mba tsy ho zazakely intsony no hitondrana ny Malagasy raha izay hatrany no niainana hatramin’izay. Tafiditra ao anatin’ireo fanovana miisa 7 ireo raha tsiahivina ny resaka fanatsarana ny fanabeazana, ny fomba fitantanana ny toe-karena, ny fanitsiana ny rafi-piaraha-monina mba ho fiaraha-monina misy firaisan’aina, mifanome tanana sy mifamelona fa tsy sanatria mifamaky vava. Eo ihany koa ny fampitoviana hasina ny olona tsirairay avy mba hahafahana manohitra ireo tera-tany vahiny mitady hampiady, ny fametrahana an’Andriamanitra an-tampon’ny loha amin’ny toerany fa tsy ny zava-boahary indray no lasa lolohavina miaraka amin’ireo fanahy maro samihafa.
Pati
Legende : Andriamparay Ricky, filohan’ny Antso Fiaraha-monina Kristianina
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT