Finoana

Antsirabe Noraisin’ny Tanora Katolika an-kafaliana i Dada


  • Alatsinainy 05 Septambra 2022

Isan’ireo nahazo fanasana niatrika ny famaranana ny JMJ andiany faha-19 na ny fihaonamben’ny tanora katolika tany Antsirabe ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana mivady sy ireo delegasionina mpiara-dia aminy.

Resaka ara-pinoana tsy misy hidiran’ny politika io, saingy toa niseho ihany ny karazana sakantsakana ara-politika efa mpahazo azo eny an-dàlana, raha ny tatitra nataon’ireo haino aman-jeriny. Na izany aza, noraisin’ny mpizaika an-kafaliana, tamin’ny horakora-pifaliana I Marc Ravalomanana. Naneho ny hafaliany izy taorian’ny fahataperan’ny sorona masina. “Ny zavatra hitako androany dia ahafahako maka sary an-tsaina ny zavatra miseho eto Madagasikara. Raha niteny ilay mpitory teny nilaza fa tranobe iombonana an’Andriamanitra izao fihaonambe, Andriamanitra no tranobe iombonana, ka noho izany tokony hietritreritra isika. Mipetraha maka saina tsara mialohan’ny hanaovana zavatra, mitsangana mijoroa,… Tena faly aho, mankasitraka ny fanasana ahy afaka tonga taty satria tena tranobe iombonana I Madagasikara, tokony mametraka tsara amin’Andriamanitra mialohan’ny zavatra rehetra aloha, tsy misehoseho, tsy mihambohambo, tsy mirehareha, avy eo mahalala tsara ny fahaizany ny nofy, mahay manonofy, tanora no resahana ka tsy maintsy omena ny faniriana sy hetaheta. Mankasitraka sy mankatelina ny fanasana. Efa mitantara ny momba ny JMJ mikasika ny tanora katolika izy ka izay no mahatonga anay handeha rehefa vita ny fandraisana, efa vita ny sorona masina. Mino sy manantena fa tena handray ny hafatra nomena ny tanora, ary handeha am-pahendrena. Mino aho, fa olon-kendry ny vahoaka Malagasy, mahay mihaino, mahay mietritreritra, mahay mandinika,…”, hoy izy.
TOERANA NAMPIADY HEVITRA
Tsy nametraka olana izy, saingy ny olom-pirenena no nanao fanamarihana ny toerana nametrahana ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana mivady, mandritra ny Lamesa famaranana ny JMJ io. Marina fa tahaka ny olom-pirenena rehetra, saingy maro no naneho fa hafahafa ary tsy mendrika azy, tao ny naneho fa tsy olana. Tsy tahaka ny toerana nomena azy tamin’ny JMJ 2018 izay nilahatra tamin-dry Praiminisitra teo Mahafaly Solondrasana Olivier,… “Hita kosa anefa fa mbola mamim-bahoaka tokoa ity Filoha teo aloha ity, raha jerena amin'ny horakoraka sy hafaliana nasehon'ny tanora maro nandritra ny fidirany”, hoy ny olona nanamafy. Mbola noporofoiny tokoa fa ananany ny fanetre-tena sy fanajana ny hafa ka tsy nanao ilay kravaty mena ahafantarana azy iny izy, niezaka nitondra ny lokon'ny Fiangonana Katolika. Na izany na tsy izany, ny fiombonam-bavaka sy fanontronana no tena zava-dehibe...hoy ilay fitenenana hoe ''Volamena latsaka am-bovoka, tsy avelan'ny hasoany tsy hamiratra'”, hoy hatrany ny famanarihana.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Alahadin’ny taraka
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

FJKM RASALAMA MANJAKARAY

  • Léon XIV tany Cameroun
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Fitsidihana apetraka ho

  • PASTERA HERITIANA
  • Zoma 03 Aprily 2026

Tsy voatery ho andro Alahady

  • Vondron’ny Fikambanana Masina
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

na VFM « Mitaky ny fombany ny tany, mila

  • Mankalaza ny faha-42
  • Alarobia 25 Martsa 2026

taonany ny fiangonana Shincheonji

  • Pastera Heritiana
  • Alarobia 18 Martsa 2026

« Tokony hahitsy toa ny

Hijery ny tohiny
FTT