Finoana

Antsan-kiran’ny Noely taona 2014 Mpanakanto am-polony no ho avy hanotrona ny lanonana


  • Alarobia 17 Desambra 2014

Ho fararanon-danonana ny etsy amin’ny lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena etsy Mahamasina ny alahady 21 Desambra ho avy izao

Hotanterahina amin’io andro io mantsy ny Antsan-kiran’ny noely karakarain’ny trano famoaham-boky sy fivarotam-boky Antso etsy Analakely, izay mifanandrify indrindra amin’ny famaranana ny faha-40 taona nijoroan’izy ireo. Mpanakanto  marobe isan-tsokajiny toa an’ny Hosana Ambohijatovo Fitiavana, Antsa an’i Kristy, Tanora Fanantenana Mahamasina, Ampifitia, Hasin’ny famonjena, Felaniary, Bodo, Joseph d’af ary Rija Rakoto. Hanomboka amin’ny 2 ora folakandro ny fotoana ka ilay bokikely mitondra ny lohateny hoe : “Antso fiderana” izay vidina ao amin’ity trano famoaham-boky ity ihany no vidim-pidirana. Entina hananganana “médiatheque” ho an’ny ankizy sy ny tanora eny Marivolanitra ny vola rehetra azo avy amin’izany.  Ho fantatra amin’io andro io ihany koa moa ireo ankizy telo tamin’ny 40 mendrika indrindra tamin’ilay fifaninanana nanoratra tantara sy angano nokarakarain’ity trano famakiam-boky iray ity. Hisy ny loka goavana  tsy ampoizina hatolotra azy ireo ankoatra ny mari-pankasitrahana.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT