Finoana

ANTOKO MPIHIRA TARATRY NY MAZAVA Mankalaza ny faha-45 taona niorenany


  • Sabotsy 20 Mey 2017

Mankalaza ny faha-45 taona niorenany ny antoko mpihira taratry ny Mazava eo anivon’ny fiangonana Fjkm Ambohidanerana, Synodam-paritany Atsinanana.

 Voka-dehibe no entiny hanamarihana izany rahampitso alahady 21 mey. Hisy ny fotoam-pivavahana lehibe hotanterahina eny amin’ny « Institution Marthe Hervée » ny tapak’andron’ny maraina, arahin’ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo. Eny amin’ny Sainte Famille Mahamasina kosa no fotoana ny  hariva ka hisy ny fampisehoana goavam-be hiarahana amin’ny TGC hotronin’ireo mpanakanto tsy hampoizina maro. Hisy ihany koa ny dihy mirindra hotanterahin’ity antoko mpihira ity mandritra izany izay nambaran’Andriamatoa Hary, filohan’izy ireo fa tsy mbola fahita hatramin’izay. Tsiahivina moa fa efa in-telo namoaka rakikira sy raki-tsary ny antoko mpihira Taratry ny mazava tao anatin’izay 45 taona izay ka ny raki-tsary sisa no tsy vita ho an’ny laharana fahatelo. Miantso ny zanaka am-pielezana rehetra ho avy hanotrona azy ireo ity antoko mpihira ity, araka izany.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT