Finoana

Antoko mpihira Taratry ny mazava Hanomana ny rakikira faha 6


  • Alarobia 15 Septambra 2021

Isaorana Andriamanitra fa tontosa ny fampisehoana rehetra natao tany an-tanindrazana ny faran’ny herinandro teo dia ny tao amin’ny FJKM Ambodanierana,

 hoy ny filohan’ny antoko mpihira Taratry ny mazava, Ralaiarimanana. Fetin’ny taranaka moa iny ary nahatratra 3000 isa tany ireo tonga nankalaza an’Andriamanitra noho izany, hoy izy. Hitohy ny alahady izao amin’ny alalan’ny voka-dehiben’ny tanora etsy amin’ny Gamo Ampasampito moa izany. Hiarahana amin’ny antoko mpihira io ary mbola hiantsoana ny zanaky ny fiangonana hatrany. Eo ny fitadiavam-bola hanomanana ny rakikira faha 6 izay tokony nivoaka tamin’ity taona ity saingy voasakana noho ny hahamehana ara-pahasalamana teto amin’ny firenena. Ho avoakantsika amin’ny fiandohan’io taona hoavy io kosa izany ary hahazo azy daholo ny mpanjifa rehetra. Hahitana hira miisa 10 eo izany. Hiditra ao anatin’ny faha 20 taonany ihany koa ankehitriny ny antoko mpihira. Ao anaty fahamatorana ary ireny fihibohana ireny dia nisehoana aingam-panahy maro nahatonga famoronan-kira betsaka toy ilay hoe “Safidy”, “Onjan-dranomasina”, “Tsunami”, “Aretina”, izany rehetra izany dia aingam-panahy tao anaty fihibohana, hoy hatrany ny fanazavana.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT