Finoana

Antoko mpihira Taratry ny Mazava Hanatanteraka seho ao amin’ny FJKM Anjohy


  • Talata 20 Jona 2017

Taorian’ilay fampisehoana goavana nanamarihan’ny antoko mpihira Taratry ny Mazava eo anivon’ny fiangonana FJKM Ambohidanerana ny voka-dehibe tetsy amin’ny Sainte Famille Mahamasina farany teo dia fantatra fa hanatontosa fampisehoana ao amin’ny FJKM Anjohy indray izy ireo ny 02 jolay ho avy izao.

Haharitra ora roa ny fampisehoana, raha araka ny fanazavan’ny prezida Ihary, filohan’ny antoko izay hiompana amin’ny fisaorana sy fiderana an’Andriamanitra  ranofotsiny. Efa mahatratra 60 isa ankehitriny ny hiran’ity antoko mpihira iray ity. Misy amin’izy ireo no efa voarakitra anaty kapila mangirana toy ny volume 2 ary efa an-dalam-pikarakarana ny volume 3. Miantso antsika rehetra ho avy hanotrona azy ireo ity antoko mpihira ity, indrindra fa  ny any amin’iny faritra Ankazondandy iny. Mbola hitohy ao Ambohidanerana ny fampisehoana amin’ny 26 jolay ho avy izao.

 

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • TANORA MASINA ITAOSY
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

Raki-kira faha-11 no

  • Herinandrom-bokatry
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

ny SAFIF ao Andravoahangy

  • Herinandrom-bokatry
  • Talata 20 Oktobra 2026

ny SAFIF ao Andravoahangy

  • FJKM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

AMBODIFAHITRA MARTIORA

  • MPINO
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

ADVANTISTA SOAMANANDRARINY

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

Hijery ny tohiny
FTT